Politique

Jeneraly Ravalomanana Richard “Ny mpanao politika mandika lalŕna no samborinay”


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Hentitra ny tenin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard omaly tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny Ankadilalana mikasika ny fampiharana DINA any amin’iny Faritr’i Melaky iny fa raha vao misy fandikan-dalŕna dia handray andraikitra ry zareo.

 Misy resaka tsy fanajana zon-olombelona sy tsy fanajana lalàna velona ao anatin’ny fampiharana an’io Dina io, hoy izy, ka efa nanome baiko ny brigadin’ny zandary rehetra andray andraikitra aho raha vao misy zavatra hafahafa mitranga. Ny tena nanafintohana anay ao anatin’ity resaka ity, hoy ny Jeneraly Ravalomanana dia ny filazan’ny olona mpitarika ny fampiharana ity Dina ity izay fantatra fa dahalo taloha ka mitety vohitra miantso ireo dahalo namany fahiny sy ireo niharam-boina ihany koa nilaza hoe : “aza idiranareo zandary sy karana ary polisy io Dina io fa anay io”.

Teo koa ny fanamafisan’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita iray niteny nivantana tamin’ny fahitalavim-pirenena fa mety ny fampiharana io Dina io. Ho avy aty aminay hiatrika fivoriana ianao CT io, hoy ny Jeneraly Ravalomanana, ka raha sanatria misy ny fandikan-dalàna avy amin’ny famporisihana mivantana nataona amin’io fampiharana ny Dina io dia ho avy izahay. Mpanao politika manao fandikan-dalàna no samborinay, hoy izy, ka raha fintinina dia aleo mba hanaraka ny lalàna velona daholo sy hanaja ny zon’olombelona ny olom-pirenena tsy an-kanavaka fa fiarovana andrim-panjakana no ataonay ka na iza na iza mandika lalàna dia handraisana fepetra sahaza azy

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT