Politique

Jeneraly Ravalomanana Richard “Ny ataon'izy ireo ihany no mampalaza ahy !”


  • Talata 06 Desambra 2011

Namaly ny ankolafy mpanohitra ny jeneraly Ravalomanana Richard omaly mikasika ilay taratasy nataon'izy ireo mitaky ny hanasaziana ity jeneraly ity noho izy sakana amin'ny fampiharana ny tondrozotra.

 Tsotra ny valin-tenin'ny jeneraly Richard Ravalomanana : «fiheveran'ireo mpanohitra izany fa tsy fiheveran'Andriamanitra. Tsy mety ny nataoko amin'izy ireo fa mety izany amin'Andriamanitra. Na hitory any amin'ny SADC izy ireo na aiza dia ny ataon'izy ireo ihany no mampalaza ahy izay bitika kely ity. Bitika satria mbola ao ny lehiben'ny zandarimariam-pirenena, ny minisitra nefa ny momba ahy no noresahina». Raha ity filazan'ny jeneraly Ravalomanana Richard omaly ity dia toa te hiteny izy fa mitovy amin'ny fihevitr'Andriamanitra ny fiheviny. Filohan'ny sampana lehilahy kristianina tao amin'ny fiangonana Fjkm Atsimon'i Mahamasina ity jeneraly ity teo aloha. Toa tsy miditra ao intsony anefa ny tenany amin'izao fotoana izao noho ny antony tsy fantatra.

Solo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT