Raha nisy ny olo-malaza sy matetika voatonona anarana anatin’ny filazam-baovao na adihevitra etsy sy eroa, tato anatin’izao tetezamita izao dia anisan’ny lohalaharana amin’ireny ny jeneraly Ravalomanana Richard. Lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Faritany Antananarivo moa izy amin’izao fotoana ary lehiben’ny Emmo-Reg. Maro be ny resaka etsy sy eroa momba azy sy ny fomba fiasany, ka izay indrindra no antony nifampiresahan’ny Tia Tanindrazana taminy, mba hamantarana ny zava-misy marina sy ny heviny manodidina ny tranga maro samihafa nanintona ny sain’ny mpanara-baovao ireny. Araho ary ny sokela nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Manaja anao “Mon Général”, andro iraisam-pirenena ho amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny 3 mey, mifanadrify amin’izay indrindra dia tazonin’ny zandary eny Betongolo ny mpanao gazety roa avy amin’ny onjam-peo Free FM. Inona no tena marina amin’ity raharaha ity ?
Richard Ravalomanana (R.R) : Misaotra ny Tia Tanindrazana niantso anay mba hanontany ny tena zava-misy marina. Ao anatina fanadihadiana izy mianadahy ireo amin’izao fotoana (omaly) noho ny fitoriana nataona mpandraharaha iray. Tazonina eny Betongolo izy ireo satria tsy mbola vita ny fanadihadiana. Izay ny amin’iny, fa ny tiako hambara fotsiny dia tsotra : aza hanaovana «pression» izahay, fa hainay ny asanay, ary matihanina amin’izany izahay. Mahaleotena tanteraka ireo OPJ (Officier de Police Judiciaire), manatanteraka ny fanadihadiana ato aminay. Ambarako eto fa tamin’ireny raharaha Raymond Ranjeva ireny dia niantso ahy ny praiminisitra Camille Vital, ary niteny tamiko ny amin’ny tokony hamoahana ny zanaka vavin’ny Pr Raymond Ranjeva, saingy tsy nanaiky izany aho satria mbola nitohy ny fanadihadiana azy, ka na iza na iza, miteny dia ny asanay ihany no ataonay.
T.T : Ka ahoana ary izao no mety ho tohin’ity raharaha ity ?
R.R : Tokony hizotra milamina izy io, ary manaraka ny dingana an-tanatohatra rehetra, tahaka ny fanadihadiana natao, saingy ny manahirana kely amin’ity raharaha ity dia mbola mitohy foana ilay fanaovana “pression” ao amin’ny onjampeo Free FM. Androany maraina (alakamisy) izao dia niteny tao ny Maitre Avoko fa hoe hiantso ny mpikatroka kung-fu ho avy eto Antananarivo, hono. Dia averiko eto indray fa tsy azon’iza na iza hanaovana “pression” izany izahay. Raha izay moa no teniny dia tongava ny mpanao kung-fu fa izahay koa efa vonona e !
TT : Misy ny miteny fa olon’i Andry Rajoelina ianao ka manatanteraka izay baiko rehetra omeny anao. Mitombina ve izany ?
R.R : Tena tsy azoko mihitsy izany ny fihevitry ny olona sasany e ! Averiko eto fa manao ny asanay amin’ny maha mpitandro ny filaminana anay izahay, ka misy ny lalàna mametra ny andraikitray sy milaza ny tokony hataonay. Izaho manokana dia tsy manompo olona izany. Ny lalàna no hajaina sy ampiharina dia izay. Ny lalàna sy ny rafitra ary ny andrim-panjakana mijoro no hajaina. Tamin’ny 2001 aho dia nambaran’ny olona fa nanohana ny filoha Didier Ratsiraka, avy eo nolazaina indray fa miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana, izao dia ambara indray hoe olon’ny filoha Rajoelina. Tena tsy azoko mihitsy ! Ambarako mazava eto fa tamin’ireny savorovoro tamin’ny 2009 ireny, dia izaho no nitarika miaramila niaro sy niambina ny entan’ny Tiko tao Moramanga, satria efa nisy ny andian’olona teo amin’ny 800 teo ho eo saika handroba tao. Tao Ambodimanga Moramanga manakaiky ny gara no nitrangan’izany, ary azo atao vavolombelona ny mponin’i Moramanga. Mbola izaho ihany koa no nitahiry sy niambina tao amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena ny hazon’ny Tiko tamin’ireny fotoana mafampana ireny, raha toa ka nisy ny andian’olona saika hangalatra tsotra izao an’izany. Miaro ny olona sy ny fananany izahay ary izay dia izay ihany !
T.T: Ka indraindray kosa anie ka tsy azon’ny olona ny fanambarana ataonao na ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana tarihinao e ?
R.R : Izao fotsiny no ambarako aminareo, misy olona miezaka ny manao ny asany araka ny tokony ho izy sy araka ny ambaran’ny lalàna eto. Ary ianao koa anie rehefa tompon’andraikitra, tena sahy mandray andraikitra dia misy foana ny tsy faly amin’ny ataonao e ! Ka izay ilay izy, tsotra ny teniko : tsy maintsy mampihatra ny lalàna izahay, ary tsy misy ny ambonin’ny lalàna, na iza na iza. Tsara ho fantatrareo anie izao fa na dia ny mpandika tenin’ny filohan’ny tetezamita aza efa nampidiriko “violon” satria saika hanao lava tanana sy hanao “intervention” e ! Izany ny zava-misy. Fantatro fa misy anie ny olona ao ambonimbony ao mety tsy faly amin’ny zavatra ataoko, fa izao fotsiny e : izaho tsy hametra-pialana fa tsy maintsy manatanteraka ny adidiko sy ny andraikitro, fa raha tsy tiana aho esory … dia ho hita eo. Fa izaho sahy milaza etoana, fa indray andro any tena ho latsa-nenina ireo olona nanakiana sy nanaratsy ahy rehefa tonga saina fa nety ary araka ny ambaran’ny lalàna ny zavatra nataoko.
T.T : Nambaranareo fa hetsika tsy nahazoana alalana no nataon’ny ankolafy Ravalomanana teny Ambohijatovo farany teo, ka mety hisy koa ve izany ny fisamborana ireo mpitarika iny hetsika iny ?
R.R : Mazava ny ambaran’ny lalàna, rehefa hetsika na famorian’olona tsy nahazoana alalana dia tsy maintsy ravaina. Ary raha toa ka misy ny fahasimban-javatra nandritra ilay hetsika dia tsy maintsy mandray ny andraikitray izahay ka misambotra ireo nitarika ny hetsika.
T.T : Manao ahoana kosa ary ny fomba fifandraisanao amin’ny filohan’ny tetezamita, satria maro be koa ny resaka manodidina an’izany ?
R.R : Io ilay nambarako hoe tena mba mahazendana ahy mihitsy ny fanitaran’ny olona ny zava-misy. Ny jeneraly Bruno Razafindrakoto, komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary ary ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Lucien Rakotoarimasy ihany no mifampiresaka mivantana amiko fa izaho tsy mifampitelefaonina na miresaka mivantana amin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina izany. Izay ilay hoe mila hajaina ny rafitra, dia any amin’ny rafitra tandrify anao ianao, no miresaka sy maka hevitra fa tsy any amin’ny rafitra efa avo lenta noho ny misy anao.
T.T: Misy no milaza fa hoe mahazo volabe sy tombontsoa manokana ianao, ahoana ny amin’izay ?
R.R : Diso tanteraka izany, ary mba tena mahagaga ahy. Ny fiara ampiasaiko miasa aza anie fiarako manokana efa somary simbasimba ihany e ! Ary raha mba tafaresaka matetika tamin’Atoa Andry Rajoelina izany ve aho tsy efa mba nikaroka izay mahasoa ahy sy hahametimety ny fiainanay mianakavy. Fa tsy izay mihitsy no fipetrany e !
T.T : Niteraka resabe ihany koa ny nahazoanao ilay gradina jeneraly, ahoana indray ny momba izay ?
R.R : Fampisondrotana grady araka ny tokony ho izy mihitsy io, fa tsy misy resaka akamakama izany. Izaho anie nandalo “École supérieure de guerre” ary nitantana sekoly ambony roa sy nitana “commandement” e ! Ka tsy hitako izay hiadian-kevitra elabe amin’izany. Somary tafaraka ihany ny naha kolonely ahy sy ny jeneraly Bruno Razafindrakoto, komandin’ny zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana, izy anefa efa “Général de division”, izaho ity vao “Général de brigade”. Ka inona indray no mbola hiadian-kevitra amin’izany ?
T.T : Ahoana ary no hamintinanao izay voalaza rehetra teo izay sy ny hafatra ihany koa ho an’ny mpamaky ?
R.R : Izaho tsy mila ady ! Manao ny asako amin’ny tokony ho izy araka ny ambaran’ny lalàna fotsiny aho sy ny miaramila miaraka amiko. Mahagaga ahy mihitsy ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka ataon’ny sasany ahy etsy sy eroa. Averiko eto indray fa tsy manana olana manokana amin’ny filoha Marc Ravalomanana aho, izaho aza mba mirehareha fa mitovy anarana aminy. Ary ambarako etoana ihany koa fa nanampy an’Atoa Mamy Rakotoarivelo aho tamin’ireny raharaha baomba nahavoatonontonona ny anarany ireny. Niteny tamin’ny manampahefana sy ny mpanao fanadihadiana mihitsy aho fa tokony ho navela nody izy, rehefa vita ny fakana am-bavany satria mety hitarika savorovoro ny fitazonana azy ela loatra. Ary raha ilaina dia mbola vonona ny hiaro azy aho, tahaka ny iarovako ny olona rehetra. Fa izay fotsiny e : hajao ny lalàna dia tsy hanana olana ianao, ary aza anaovana “pression” amin’ny asanay mihitsy izahay mpitandro ny filaminana fa sao ianao ho sahirana !
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.