Politique

Jeneraly Ravalomanana Manao vy very ny ainy ho an-dRajoelina


  • Talata 24 Janoary 2012

Niharihary toy ny vay an-kandrina ny fafy lainga tamin’ny sabotsy teo.

 Na mifanohitra izay lazain’ny tompon’andraikitra ambony na koa tsy mitombina tsotr’izao fotsiny. Ny fahafaham-baraka voalohany indrindra dia ny an’ny minisitry ny serasera izay nihazakazaka niteny amin’ny maha mpitondra tenin’ny governemanta azy. Ny teny navoakany anefa dia mivabadika be ihany. Fotoana fohy ihany mantsy dia voaporofo rehefa azon’ny mpikamban’ny ankolafy Ravalomanana teny an-tanany ny NOTAM. Omaly indray dia nihaona tamin’ny mpanao gazety ny Jeneraly Ravalomanana ary nanazava tsara ny fandehan’ny raharaha tamin’ny sabotsy.

Ankoatra ny filazana ny isan’ny maty sy ny naratra ary ny simba, izay efa hitan’ny besinimaro ihany, dia nanazava ihany koa izy ny amin’ny antony tsy nahafahan’ny fiaramanidina nipetraka teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Raha ny fanazavan’io manamboninahitra jeneraly io dia avy any aminy avokoa ny antony rehetra. «Nisy ny fangatahako ny mba hanidiana ny seranam-piaramanidina, ankoatra ny an’i Morondava, tamin’ny sabotsy. Ny alakamisy hariva vao nivaly izany ary neken’ny tompon’andraikitra (nambarany fa tsy fantany). Nalefa tany Morondava ny olon’ny Emmo maromaro izay hisahana ny fisamborana an’i Marc Ravalomanana ny zoma. Nanapa-kevitra moa ny mpanamory ny hiverin-dalana ary dia iny niaraha-nahita iny», hoy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Notohizany fa izy tanteraka no tao ambadik’iny fanidiana ny seranam-piaramanidina iny. Ny amin’ny hoe maninona no efa teny ambony fiaramanidina ny olona vao navoaka iny baiko iny. Navaliny fa notanany ho tsiambaratelo ny momba ilay NOTAM mba tsy ho mainka koa hampisahotaka ny mpomba ny filoha Ravalomanana indray. «Raisiko tanteraka ny andraikitra momba izany» hoy ihany io farany. Midika izany rehetra izany fa manao vy very ny ainy ho fiarovana ny fitondran-dRajoelina ity Jeneraly ity. Fampiharana ny lalàna ary fahaiza-manao amin’ny asa, izay hatrany no ambetin-teniny.

Tsy misy mandrara an’izany saingy rehefa misy loko politika kosa ny asan’ny mpitandro ny filaminana izay tokony hiverenana hatrany fa ny vahoaka no manakarama azy, dia efa tsy izy izay. Efa mazava be fa Rajoelina no nanome ny baiko hidian’ny seranam-piaramanidina. Misy rahateo ny antontan-taratasy manamarina an’izany. Mbola sahy nijoro nanao vy very ny ainy ihany anefa ny Jeneraly ka nilaza fa izy no tompon’andraikitra. Manaraka izay, mbola nampiany fa faniratsirana ny fanjakana malagasy ny nandraisan’ny mpanamory fanapahan-kevitra ny hiverina any Afrika atsimo. Asa, toy ny fiaramanidina kilalao angamba no fiheviny azy. Tsy avela hiditra eo amin’ny toerana tokony hijanony dia avy eo miverina dia lazaina fa faniratsirana ny fanjakana. Ary ahoana izany ny momba ireo mpandeha marobe tao raha sanatria ka ohatra fotsiny hoe lany ny solika ?

Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT