Politique

Jeneraly Ravalomanana Ho sahy hisambotra ny Profesora ve ?


  • Alakamisy 19 Janoary 2012

Hosamborina i Zafy Albert, hosamborina ihany koa i Marc Ravalomanana.

 Momba itsy voalohany aloha dia tsy mbola nanome ny heviny ofisialy ny Jeneraly Richard Ravalomanana izay isany andry iankinan’ny FAT. Momba ilay olona faharoa kosa dia nazava ny heviny fa avy hatrany dia hosamborina ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc raha vao migadona eny Ivato (jereo lahatsoratra etsy ankila). Ny an’ny Pr Zafy Albert indray, izay efa nambara teto omaly fa voafandrika ihany izy tamin’iny tranga teny Ambohijatovo iny, dia mety hisy koa ny fitoriana azy raha oharina amin’ny fanazavan’ny Jeneraly Ravalomanana hatrany. «Feno ny fepetra amin’ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana» raha ny filazan’io manamboninahitra io. Midika izany fa hipetraka ny fanenjehana ny Profesora Zafy Albert, raha oharina amin’io fanazavana etsy ambony io ihany. Asa anefa aloha izay mety ho fanapahan-kevitra horaisin’io lehiben’ny CIRGN izay malaza ho tsy refesi-mandidy io satria hatramin’izay izy dia tsy sahy nikitika loatra ny Profesora fa ningonongonona fotsiny. Izy rahateo dia tsy sahy nifanatrika tamin’ny profesora tamin’ny afak’omaly raha nangataka fifampiresahana ny filoha teo aloha. Hosamborina i Marc Ravalomanana, mety hosamborina ihany koa i Zafy Albert. Iza ihany izany no filoha tsy hosamborina ?
G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT