Kandidà ho filoham-pirenena faha-34 nanatitra ny antontan-taratasiny tetsy amin’ny CES Ambohidahy tamin’ny sabotsy teo ny Jeneraly Ratrimoarivony Guy (mahaleotena) notronin’ireo mpomba azy. Mbola nohamafisin’ity kandidà ity ny paikady fototra nambarany tamin’ny fotoana nanapahany hevitra fa hirotsaka amin’ity fifaninanana goavana ity dia ny tsy hifampitsabatsabahan’ny rafitra isan-tokony eto amin’ny firenena andraikitra ka ny mpanao lalàna hanao ny asany ary ny mpanatanteraka koa tsy hitsabaka amin’ny asan’ny hafa, indrindra ny asam-pitsarana fa hanao ny tandrifiny. Tsy maintsy ahena ny hantsana misy eo amin’ny mpanana sy mahantra eto amintsika, hoy izy, ka homena ny asa sahaza azy ny tsirairay fa io no tena fototry ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.