Politique

Jeneraly Ranto Rabarisoa Nanadio tena


  • Alakamisy 02 Aogositra 2012

Nampiantso ireo vondrona politika nanasonia sy manohana ny tondrozotra omaly ny Filankevitra miaramila momba ny fiarovam-pirenena na CMDN, tarihan’ny jeneraly Ranto Rabarisoa.

 Teny amin’ny CEMES Soanierana no nanatanterahana ny fihaonana. Somary nanaitra ihany ny fahafantarana azy ity fa miaramila no mampiantso mpanao politika tampoka teo ! Fanazavana mba hialana amin’ny ahiahy tsy hihavanana no tena anton’ilay fampiantsoana. Nambaran’ny lehiben’ny CMDN fa tsy marina velively ny resaka mandeha etsy sy eroa volana vitsivitsy izao, milaza fa hisy «directoire militaire» hitsangana eto. Nanomboka tamin’ny nandehanan’ny filohan’ny tetezamita tany New York - Etazonia ka nitondrany niaraka taminy ny minisitry ny fiarovam-pirenena moa no tena nanomboka nipoiran’io resaka «directoire militaire» io, ary voatonona fa hoe hitantana izany ny Général de corps d’armée Ranto Rabarisoa, filohan’ny CMDN amin’izao fotoana. Dia izy tenany mihitsy izany, omaly no nanambara fa tsy mitombina ilay honohono. Tsy tonga nanatrika ity fihaonana teny amin’ny CEMES Soanierana ity moa ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy, ny Monima an’i Monja Roindefo ary ireo vondrona politika amin’ny hery afovoany. Ireo vondrona politika akaikin’ny filohan’ny tetezamita ihany, izany no namaly ny antson’ny CMDN. Anisan’ireo manamboninahitra jeneraly am-perinasa, ambony grady indrindra eto amintsika ny jeneraly Ranto Rabarisoa.

Tafiditra tao anatin’ireo vondrona manamboninahitra ambony namindran’ny filoha teo aloha ny fahefany izy tamin’ny 17 martsa 2009, saingy tsy afa-nanoatra fa dia voatery nanda ary avy eo nanao fanambarana teny amin’ny CAPSAT fa atolotra manontolo an’i Andry Rajoelina ny fahefana. Taorian’izay dia sady namoronana andrim-panjakana iray vaovao hotantanany izy, no mbola nisondrotra grady ihany koa. Sokajian’ny maro ho anisan’ireo manamboninahitra tena akaiky an’i Andry Rajoelina ny jeneraly Ranto Rabarisoa ary maro be ny feo mandeha etsy sy eroa momba azy. Izy ihany koa dia tsy misalasala maneho hevitra amin’ny lafiny politika na dia miaramila mbola am-perinasa aza. Farany teo izao, dia nilaza izy fa tsy dia ilaina firy ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Maro no mahita fa karazana fanadiovan-tena ihany ity nataon’ny mpitarika ny CMDN ity, kanefa raha siosion-dresaka sy zavatra tsy mitombina ve dia hanadiovan-tena sy hiantsoana ireo rehetra nanasonia ny tondrozotra ? 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT