Vita omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena teo aloha ny general de division Rakoto François Rodin sy ny komandy vaovao ny general de brigade Ramiandrisoa Jean de Dieu.
Lehiben’ny hery vojitaitran’ny zandarimariam-pirenena na ny FIGN teny Fort du Chesne moa ity farany mialoha izao nanendrena azy ho komandin’ny zandarimariam-pirenena izao. Fanamby avy hatrany no napetraky ny jeneraly Ramiandrisoa. Anisan’ny lohalaharana amin’ny kolikoly ny zandarimriam-pirenena amin’izao fotoana, saingy hisy ny ady sy asa goavana ho atao ka manome fotoana anareo mpanao gazety aho afaka herintaona, raha mbola eo amin’ny toerako fa tsy maintsy hisy ny fiovana, hoy izy. Fantatry ny olona tsara ny toetrako sy ny fomba fiasako, hoy ity jeneraly ity. Tsy maintsy hofehezina voalohany araka ny nambarany ny fandraisana mpianatra ho zandary izay tena naha be resaka satria malaza be ny fisian’ny fandoavam-bola. Faharoa ny fiakarana grady sy galona ary ny fiatrehana fiofanana any ivelany eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary farany dia ny resaka famindran-toerana. Araka ny tatitra isan-taona eny amin’ny Bianco dia tafiditra ao anatin’ireo sehatr’asa 5 voalohany tena hanjakan’ny kolikoly ny zandarimariam-pirenena, ary marobe ny zandary malaza fa miray tendro amin’ny dahalo, eo koa ireo mpaka vola amin’ny taksibrosy sy ny fiara be mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena. Hijoro hiady amin’izany kolikoly izany mba hanatsarana endrika ny zandary sy hampiverenana ny fahatokisan’ny vahoaka azy ny jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu, izay nilaza mazava fa zatr’ady ny tenany ary tsy mikoso-maso amin’ny sakana mety misy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.