Politique

Jeneraly Ramananarivo Claude Maty nisy namono niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany vavy


  • Alakamisy 05 Aprily 2012

Hita nivalampatra tao amin’ny trano fonenan’izy ireo teny Andohan’i Mandroseza omaly maraina ny vatana mangatsiakan’ny jeneraly Ramananarivo Claude sy ny vadiny ary tovovavy iray, 16 taona, taizan’izy ireo.

 Razana efa simba no novantanin’ny zandary sy ny fianakaviana raha namoha ny trano. Tombanana ho efa herinandro mahery no nitrangan’ny loza. Raha araka ny tatitra nataon’ny mpitsabo tonga teny an-toerana dia misy faritra novelesina na nokapohana tamina fitaovam-piadiana ny vatan’izy ireo, ary nahitana faritra may ihany koa. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana. Ny azo antoka fotsiny aloha, raha ny fandrenesana ny tatitra nataon’ny mpitsabo, dia maty nisy namono tao an-tranony izy telo mianaka ireto. Nisy entana very toy ny fiara iray Toyota Rav4, ordinatera vitsivitsy, vata fahitalavitra... Niparitaka ny dosie tao an-tranony.

Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena faha-13 (2006-2008) ny jeneraly Ramananarivo Claude ary anisan’ireo manamboninahitra nanoloran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny fahefana ny 17 martsa 2009 izy. Ny 23 desambra 2009 moa no nalefa nisotro ronono ny tenany, rehefa nanompo ny tanindrazana teo anivon’ny zandarimariam-pirenena nandritra ny 39 taona sy 11 volana. Tsy dia re firy intsony izy taorian’izay. Loza nitranga tao an-trano ve sa asan-jiolahy sa famonoana noho ny kakay sy fialonana ? Ho hita eo ny hambaran’ny manampahefana manoloana izao nahafatesana manamboninahitra jeneraly niaraka tamin’ny vady aman-janany izao. Olona tena teknisianina ary tsy niditra mihitsy tamin’ny resaka politika, raha ny nahafantarana ny jeneraly Ramananarivo Claude. Tato anatin’ny roa taona izany izao, dia miisa roa ny jeneraly tao amin’ny zandarimariam-pirenena no nindaosin’ny fahafatesana satria efa nodimandry ny 29 janoary 2011, noho ny aretina nahazo azy ihany koa ny jeneraly Ravelomanana Claude, Sekreteram-panjakana niadidy ny zandarimariam-pirenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT