Politique

Jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe Ny Gasy mamono Malagasy amiko dia fahavalo


  • Talata 19 Jona 2012

Ny soatoavina malagasy, hoy ny Jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe, dia tsy manaiky izany Malagasy mifamono izany fa isika dia velona iray trano, maty iray fasana.

 Ny Gasy mamono Malagasy amiko dia fahavalo, hoy izy. Raha olona mamono ny fianakavianao izao ve, hoy izy, dia ho tantinao ny hijery an’izany ? Mila fandraisana andraikitra hentitra amiko raha ny zava-misy miseho any Atsimon’ny Nosy fa sarotra ny mifampiraharaha amin’ny fahavalo izany. Fa fahavalo amiko fa tsy havana ireo dahalo mamono Malagasy mitovy aminy.

Mikasika ny fifampidinihana sy famahana ny olana dia nazava ny anay tamin’ny taona 1991 fony izahay minisitra tamin’izay fotoana izany, hoy ny jeneraly Ramakavelo, fa nomenay 48 ora ny mpanao politika hamaha ny olana nisy fa raha tsy izany dia handray fepetra hentitra izahay. Dia niravona ny disadisa rehefa nohidiana tanaty efitrano izy ireo. Mikasika ny resaka hoe Jeneraly maro mivangongo eto an-drenivohitra dia tiana ny manamarika, hoy ity jeneraly misotro ronono ity fa misy dia misy ary efa hatramin’izay ny jeneraly maro miasa any amin’ny Faritany hafa ivelan’Antananarivo. Eto amin’ity renivohitra ity koa anefa, hoy izy, no tena iaingan’ny raharaha tena mavaivay sy mafonja amin’ny ankapobeny fa ny any amin’ny Faritany hafa dia mora alamina ihany, ka tsy mahagaga raha eto no ametrahana ny stratejia rehetra.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT