Notontosaina omaly teny amin'ny fonjaben'Antanimora ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra, notarihin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré ;
izay niompana tamin'ny lohahevitra "Fanabeazana ny olona handray andraikitra". Nanatrika sy niantefan'ny hafatra sy nizara traikefa ny ankizy tsy ampy taona beazina ao an-toerana, ny Ray aman-drenin'izy ireo, ny mpanabe azy ao Antanimora, ny mpiantsehatra tsy miankina amin'ny fanabeazana sy fanarenana ny zaza nania, ary ny tompon'andraikitra avy eto amin’ny minisiteran'ny fitsarana. Nitarika ireto farany ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja, Andriamatoa Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary ka nitondra fankasitrahana ho an'ireo rehetra nifandrimbona ka nahatontosana izao fihaonana, izay santatra am-bavarano ihany ho an'ireo hetsika rehetra kasaina hatao manaraka ka mifandraika amin'ny fanatsarana ny tontolon'ny fonja.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.