Malaina manangan-tsaina ny olompirenena Malagasy. Tsy an-tanàn-dehibe tsy ambanivolo, fa dia vitsy ny tokantrano manangana sainam-pirenena na dia efa herinandro alohan’ny hankalazana ny faha-56 taona nitsingerenan’ny fahaleovantena aza.
« Mampalahelo ny zava-misy, nefa tsy gaga amin’izao fahalainan’ny olona hanangana sainam-pirenena izao aho », hoy ny jeneraly misotro ronono Ramakavelo Désiré raha nanontaniana ny heviny. « Fahaleovantena inona moa no misy sy resahina eto ? », hoy izy . Iaraha-mahalala sy mibaribary io fa ny vahiny avokoa ny mifehy ny toekarena eto, ny mpitondrantsika koa mandadilady mangataka any ivelany lava. Midika inona amin’ny fiainan’ny Malagasy izany fahaleovantena izany ? « Aleoko lavitra mankalaza ny 14 oktobra maha Repoblika an’i Madagasikara, toy izany ny 26 jona », hoy hatrany ny jeneraly Ramakavelo Désiré. Ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1972 sy ny zava-nitranga taorian’izay, hoy hatrany ity mpandalina tantara ity dia noho io fahaleovantena sarintsariny io, dia izao no vokany. Manampy trotraka izany ny « hamaroan’ny sarintsarina antoko politika eto, tsy manana foto-kevitra mazava, tsy manana vinam-piarahamonina ary tsy niomana handray fitondrana sady tsy nanana olona isan-drafitra nielipatrana any amin’ny faritra, fa efa mahazo fahefana vao manorina antoko dia izao ny zava-misy ». Ao anatin’ny 56 taona i Madagasikara, lany andro mikatsaka fitoniana hatrany, nefa ireo firenena nilahatra tamintsika 56 taona lasa sy ny taorian’izany aza efa fampandrosoana izao no imatimatesany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.