Politique

Jeneraly Ramakavelo Avereno any amin'ny vahoaka ny fanapahana


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Tsy misy mandeha amin'izay laoniny ny zavatra eto.

 Fahafaham-baraka ny nateraky ny zava-nitranga ny sabotsy teo satria nampiseho fa tsy mitovy tadin-dokanga amin'ny fanapahan-kevitra raisina amin'ny fitantanana ny firenena sy fitandroana ny filaminana ny mpitondra tetezamita, dia ny filohan'ny tetezamita sy ny praiminisitra izany. Izay no hevitry ny jeneraly misotro ronono Désiré Ramakavelo manoloana ny zava-nisy manodidina ny fanakanana ny fiverenan'Atoa Marc Ravalomanana ny sabotsy 21 janoary lasa teo. Porofo iray indray ireny, hoy izy, fa tsy azo tanterahana eto ny fiaraha-mitantana, ary tena manonofy izay mbola mieritreritra fa mety io.

Nanome tsiny mivantana ireo rehetra nanasonia ny tondrozotra moa ny jeneraly Ramakavelo, satria aminy, dia ireo mpanao politika nanao izany no tena nampidi-kizo ny firenena tahaka izao. Tsy mbola tara anefa isika, fa mbola fotoan'ny fiovana izao, hoy izy. Tsy misy mahamenatra raha miverin-dalana isika, araka ny nambarany ihany, ka ajanona tanteraka mihitsy aloha ny fampiharana ny tondrozotra dia eritreretina izay hanaovana fifidianana haingana ka ilay "Assemblée Constituante" na antenimieram-panorenana no ajoro. Karazana parlemanta misy ny olom-boafidy mivantana, dia ny solombavambahoaka sy ny loholona izy io, izany hoe parlemanta. Ka ireo olom-boafidin'ny vahoaka ireo indray no handany ny lalàna amin'ny fanohizana ny fametrahana ireo rafitra rehetra ilaina amin'ny fampandehanana ny firenena. Aleo averina any amin'ny vahoaka ny fanapahan-kevitra rehefa tsy mahavita azy ny mpitondra sy ny mpanao politika, hoy ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT