Manomboka maresaka ny ao ambonimbony ao amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy noho ny noely sy ny fetin’ny faran’ny taona ihany fa noho ny sangodim-panina politika.
Re izao fa tsara toerana ho praiminisitra hasolo an’i Solonandrasana Mahafaly ny jeneraly Ralala Roger Pierre, sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika (SGP) am-perinasa amin’izao fotoana. Olona anisan’ireo tena atokisan’ny filoha Rajaonarimampianina ity jeneraly miaramila nandalo fiofanana teo anivon’ny CEDS (Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques) ity. Ny volana febroary 2014 izy no voatendry ho SGP ary tsy voakitikitika tamin’ny toerany mihitsy. Atokisan’ny filoham-pirenena ny jeneraly Ralala Roger na eo amin’ny politika anatiny na eo amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany, hoy ny loharanom-baovao iray avy ao an-dapa. Manana fomba fiasa hentitra kokoa arahana paikady maro isan-tsokajiny amin’ny maha miaramila azy izy ary tsy vahiny ihany koa amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Etsy an-kilan’izay, re fa mety halefa ho masoivohon’i Madagasikara any Londres (Grande Bretagne) ingahy Solonandrasana Mahafaly. Vao tamin’ity taona ity no nosokafana ny biraon’ny masoivoho Malagasy any an-toerana ary nifanindran-dalana tamin’izay dia nanao dinik’asa niaraka tamin’ireo mpandraharaha Britanika ny filoham-pirenena satria miezaka ny hiantso azy ireo ho avy hampiasa vola eto Madagasikara ny fitondram-panjakana izay sasatry ny mitady mpiara-miasa efa ho 4 taona izao. Omena iraka hanohy io asa io ve i Solonandrasana Mahafaly sa mba alefa any ampitan-dranomasina fotsiny amin’izay milamina sy tsy miditra lalina amin’ny politika rahatrizay tsy praiminisitra intsony ? Na ahoana na ahoana tombantombana dia tompon’ny teny farany ny filoham-pirenena izay miezaka mafy manangana ekipa tena hanohana azy marina amin’izay fifidianana ho avy eo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.