Hanohy ny ezaka efa natomboky ny teo aloha amin’ny ady amin’ny firongatry ny asan-dahalo sy ny ady amin’ny kolikoly.
Io no tena votoatin’ny fanambarana nataon’ny jeneraly Rasolofonirina Beni Xavier, minisitry ny Fiarovam-pirenena vaovao. Omaly no natao ny famindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra teo aloha ny jeneraly Rakotozafy Dominique izay nanambara fa na tsy minisitra intsony aza dia mbola hanampy ny foloalindahy hatrany. Nambarany ihany koa omaly fa ny tenany mihitsy no nangataka ny tsy hiditra ao anaty governemanta intsony noho ny antony ara-pahasalamana. Manodidina ny fialan’ny praiminisitra teo aloha tamin’ny toerany indray dia fantatra teny Amparibe fa fepetra ara-miaramila tsy maintsy raisina hatrany ireny « consignation » an’ny toby miaramila rehetra ireny rehefa misy fandravana governemanta. Momba ny firaisankinan’ny foloalindahy kosa dia nanamafy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tafika sy ny zandary fa tsy manelingelina ny firaisankinan’izy ireo ny karazana fizarazaran-kevitra politika samihafa.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.