Politique

Jeneraly Rakotoarimasy Mitsivalana amin’ny fodian-dRavalomanana


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Mety mitahiry lolom-po ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, hany ka tsy dia mahagaga loatra ny filazany omaly, fa tsy mbola tokony hiverina Atoa Ravalomanana, na tsy aferan’ny tafika aza izany, fa andraikitry ny mpanao politika tanteraka.

 Ity jeneraly ity no no lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika (CEMGAM) tamin’ny nisian’ireny fananiham-bohitra tamin’ny 7 febroary 2009 sy fandrobana narahina doro trano sy asa fampihorohoroana tamin’ny 26 febroary 2009 ireny. Nalana tamin’ny toerany izy taorian’izay ary nosoloina ny jeneraly Rasolomahandry Edmond. Lietna-kolonely iray any am-ponja amin’izao fotoana izao no nanosika azy ho noraisin’ny filohan’ny FAT. Voatendry ho tale kabinetra miaramilan’ny filohan’ny FAT ny jeneraly Rakotoarimasy taorain’io fanosehana io. Rehefa nesorina tsy ho minisitry ny Fololindahy ny jeneraly Rakotonandrasana Noel ny volana martsa 2010 dia izy no nasolo azy. Rehefa nitranga ny raharaha BANI teny Ivato ny 17 novambra 2010 dia anisan’ireo niketrika mafy nanao izay hanagadrana ireo manamboninahitra tao amin’ny komity miaramila ho fanavotam-pirenena na CMSP tamin’izany teny amin’ny BANI ny tenany, dia izao izy mitsivalana mafy amin’ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana izao.

 

Mohamed

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT