Ny CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona André no tazana nivezivezy tetsy sy teroa nikaroka ny vahaolana tamin’ny fitakian’ny manamboninahitra lefitra, amin’ny hanafoanana ilay tataon-ketra amin’ny tambin-karaman’izy ireo.
Izy no tena nifandray mivantana isan’andro tamin’ireo miaramila efa nanomboka nikomy teny amin’ny tobin’ny CAPSAT. Nipoitra indray mandeha fotsiny kosa, ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia nanepoka avy eo. Araka ny fanazavana azo avy eny Ampahibe, dia ho fanajana ny rafitra sy ny fifampitondrana anatiny ao amin’ny foloalindahy no antony tsy nandehanan’ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, teny amin’ny CAPSAT sy tsy niresahany mivantana tamin’ireo manamboninahitra.
Misy koa ny loharanom-baovao, hafa nilaza fa mety natahotra ny hatao takalon’aina angamba, ity jeneraly ity, ka izay no tsy nandehanany teny Soanierana fa nanirahana kosa ny lehiben’ny Etamazaoro. Nandritra ny raharaha BANI dia efa ny CEMGAM hatrany no nivezivezy nanao ny asa fanelanelanana rehetra, tsy dia naharenesam-peo koa, ity minisitry ny fiarovana ity. Manomboka manontany tena ihany ny maro noho izany hoe : tena mbola to teny eo anivon’ny foloalindahy marina ve ny jeneraly Rakotoarimasy ? Ekena mihitsy fa tsy maintsy hajaina ny rafitra, saingy ny minisitry ny fiarovana no manatrika ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra, fa tsy ny CEMGAM mihitsy.
Noho izany, mila mahare mivantana sy mahita maso ny zava-misy marina io minisitra io, tahaka ny ataon’ny minisitra rehetra. Raha nisy, ohatra ny asa maika natao tany amin’ny lalam-pirenena faha-25 dia tonga tany ny minisitry ny fitaterana. Raha nitranga ny olana tany Antsohihy tamin’ny fanesorana ny Ben’ny tanàna sy fanendrena PDS, dia tonga tany ny minisitry ny atitany nandamina ny raharaha. Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy dia efa malailay fonosana amin’ny miaramila ity minisitry ny fiarovam-pirenena ity ary efa tena miozongozona ny sezany. Misimisy ihany tokoa mantsy ireo miaramila tsy nakasitraka firy ny fanendrena azy, satria nambaran’izy ireo fa tsy nahavita ny asany fony izy CEMGAM tamin’ny fitondrana Ravalomanana ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien. Ny fivoaran’ny toe-draharaha ihay moa no hahafantarana ny marina rehetra, koa dia ho hita eo !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.