Politique

Jeneraly Florens Nampitandrina ireo mpivarotra migrevy


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Nampitandrina ireo mpivarotra amoron-dalana omaly ny jeneraly Florens Rakotomahanina lehiben’ny CIRGN Analamanga fa ho avy

 

hanaparitaka sy hisambotra amin’izay ny mpitandro filaminana satria manomboka manohintohina ny fifamoivoizana sy ny fiainan’ny olona eto an-drenivohitra ny filaharana sy fitokonana ataon’ireto mpivarotra ireto. Raha te hilahatra na hanao diabe dia tokony hangataka alalana ry zareo mpivarotra, hoy ny jeneraly Florens omaly, izany hoe mametraka fangatahana an-taratasy eny amin’ny kaominina sy ny prefektioran’ny polisy. Nanamarika ity manamboninahitra jeneraly ity fa tsy hoe hanampy ny kaominina amin’ny fandroahana na famindran-toerana ny mpivarotra amoron-dalana tsy akory ny emmo reg fa kosa mitandro ny filaminana ka rehefa voatohintohina io filaminam-bahoaka io dia tsy maintsy miditra an-tsehatra ry zareo. Etsy an-kilan’izay dia nanitrikitrika ireo mpivarotra fa tsy mijanona ny fidinana an-dalambe raha tsy misy ny vahaolana mahomby sady maharitra ifampiresahana amin’ny tompon’andraikitry ny kaominina. Tsy misy ambadika politika ny hetsika ataonay fa tena resaka lovia sy vilany ary kibo noana, hoy ny solontenan’ny mpivarotra omaly. Ny avy ao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra kosa indray dia nanamafy fa natomboka ary tsy maintsy tohizana ny fanadiovana sy fandaminana ny tsena ka efa hikisaka eny amin’ny Petite vitesse sy Tsaralalana indray izao ny hetsika. Mety hisy, noho izany ny fandravana ny hetsiky ny mpivarotra ataon’ny emmo reg anio.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT