Politique

Jeneraly eto Madagasikara Grady politika fotsiny


  • Zoma 26 Febroary 2016

Niampy 10 indray ny manamboninahitra jeneraly eo anivon’ny foloalindahy malagasy ka ny roa amin’izany dia zandary ary ny iray eo

 

anivon’ny tafika anabakabaka raha tafika an-tanety avokoa ny fito ambiny. Nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo no nandraisana io fanapahan-kevitra io. Midika izany fa mitombo indray ny fandaniana ataon’ny fanjakana sy ny filana tsy maintsy omena ireo manamboninahitra jeneraly ireo noho ny galona azony. Tsy ny fisondrotan’ny laharam-boninahitry ny miaramila no tsy mahafaly fa ny mampametra-panotaniana dia ny hoe tena ilaina ve ny mampisondrotra manamboninahitra jeneraly maro be toy izao misy ankehitriny izao kanefa na ny andraikitra omena azy ireny aza tsy misy. Raha mba mitombo indray mantsy ny seha-pibaikoana isan-karazany dia ho azo nekena ihany. Toa sanatria ny malaso sy ny olon-dratsy indray aza no mainka mitombo isa arakaraka ny fitomboan’ny manamboninahitra jeneraly. Toa lasa tantely vaky ilay fanomezana kintana, hany ka mila hifanisa amin’ny hobaikoina indray ny mpibaiko. Tsy ireto andiany nahazo fisondrotana ireto manokana no asian-teny fa ilay politika fampisondrotana grady mihitsy no sao mba tokony hasiana famerana amin’ny alalan’ny fianarana vita sy natao na amin’ny taona na amin’ny ezaka vita amin’ny asa na atao arakaraky ny filana sy ny tanjona tian-kotratrarina eo amin’ny asa  fa sao lasa grady politika ka izay mahasolelaka ihany no mahazo. Tsara ho fantatra ihany fa tamin’ny 1972 dia 3 ny jeneraly teto Madagasikara ary 17 000 no isan’ny vata miaramila. Amin’izao 2016 izao 250 ny jeneraly, efa ho 2 000 ny kolonely raha toa ka manodidina ny 40 000 ny vata miaramila.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT