Politique

Jeneraly Dolin Rasolosoa Mba tsy hisy intsony ny fidinana an-dalambe


  • Alatsinainy 29 Aprily 2013

Krizy politika efatra no efa niainan’ny firenena tao anatin’ny 53 taona niverenan’ny fahaleovantena. Amin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe hatrany no anehoan’ny vahoaka ny tsy fahafaliany amin’ny mpitondra ka mampianjera ireo fanjakana nifandimby.

 Nanana andraikitra tamin’ny famahana ny krizy 1991 sy nandray anjara mivantana tamin’ny tolona 2009 teo ny jeneraly Rasolosoa Dolin izay filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST ankehitriny. Nanosika azy hanaiky ny antson’ny olona nangataka ny firotsahany ny faniriany hitsaharan’ny fidinana an-dalambe amin’izay. “Saika teo foana aho isaky misy fotoan-tsarotra. Nisy ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy nanaovany tolona nefa aiza izay amin’izao ? Manana andraikitra amin’izany ny tenako”, hoy izy. Mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana ny jeneraly Rasolosoa Dolin. Nohazavainy fa tsy manana olana na vita divorsa amin’ny filohan’ny FAT ny tenany na dia olon-kafa aza no tohanan’ity farany. Tsy mametraka olana amin’ny firotsahan’ny amiraly Didier Ratsiraka izay zoky mpiara-miasa taminy taloha koa anefa ny tenany. Aorian’ny dokotera izay misy 5 no mifaninana dia ny manamboninahitra jeneraly no laharana faharoa amin’ireo mpiasam-panjakana maro an’isa indrindra amin’ireo manam-pikasana hitantana ny firenena. Misy 3 izy ireo ka anisan’ireny ny jeneraly Ratrimoarivony, ny jeneraly Rasolosoa Dolin sady filohan’andrimpanjakana, ary ny amiraly Ratsiraka sady filoham-pirenena teo aloha. Misy minisitra am-perinasa 3, vehivavy 7, kandida mahaleotena 16, filoha teo aloha 1, lehiben’ny andrimpanjakana 1, lehiben’ny Faritra 1, PDS 1, ambasadaoro am-perinasa 1.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT