Politique

Jeneraly Dolin Rasolosoa Haongan’ny namany etsy Anosikely


  • Alarobia 22 Mey 2013

Amin’ity anio ity, araka ny fandaharam-potoana neken’ny besinimaro tamin’ny herinandro no hatao eny Anosikely ny fifidianana handaniana izay hisolo ny filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), ny jeneraly Rasolosoa Dolin, izay tsy maintsy mametra-pialana satria kandida filoham-pirenena.

 Efa nanao teny roa ihany anefa ity manamboninahitra lasa mpanao politika ity fa hoe : sady vonona ho kandida izy noho ny antson’ny vahoaka mpitolona niantefa taminy, no mandinika ihany koa sao tokony hisintona ny antontan-taratasiny ka tsy ho kandida indray, raha averina ny volany (?). Atao ahoana moa fa efa lasa fomba amam-panao eto ny fivadibadihan-kevitra ka tsy dia manaitra firy intsony ny tranga tahaka izao. Fa na eo aza izany teny roa izany dia efa herinandro koa no nafotaka ny propagandy sy fifandresen-dahatra teny amin’ny CST Anosikely teny. Tsy maintsy misy ihany mantsy ny kajy politika amin’ny fifidianana tahaka izao.

Maro an’isa ao amin’ity andrimpanjakana ity ny ankolafy Rajoelina tany am-boalohany, fa tsy hay intsony kosa ny tena zava-misy ao amin’izao fotoana. Anton’izao kajikajy rehetra izao moa ilay hoe ny telo tonta dia ny praiminisitra, ny filohan’ny CST ary ny filohan’ny CT no hiara-kitantana ny tetezamita aorian’ny fametraham-pialan’i Andry Rajoelina mialoha ny alahady ho avy izao. Ho hita eo izany ny ho fandehany, raha mijanona ho kandida no jeneraly Rasolosoa Dolin dia raikitra ny fifidianana filohan’ny CST eny Anosikely anio, raha toa ka hisintaka tsy ho kandida filoham-pirenena kosa izy dia ho foana ho azy izany fifidianana izany. Mizara roa koa ny hevitra etsy Anosikely, ao ireo milaza fa tsy tokony mbola hirosoana ny fifidianana ny solon’ny filohan’ny CST raha tsy efa mametra-pialana izy, ka voamarina ny fahabangan-toerana. Raha irosoana araka izany ny fifidianana dia karazana fanonganana no hitranga. Ireo CST sasany indray manamafy fa efa tapaky ny besinimaro ny hirosoana amin’ny fifidianana amin’ity 22 mey ity dia tsy maintsy tanterahina izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT