Politique

Jeneraly Desiré Ramakavelo Tsy milamina ny tany, mila mieritreritra ny mpitondra !


  • Talata 13 Desambra 2011

Taorian’ilay nahafatesana mpitsara tany Toliara noho ny daroka nataona andiana polisy taminy dia naneho ny heviny ny jeneraly Desiré Ramakavelo, mpikambana CST.

 Aminy dia tokony hieritreritra lalina ny mpitondra manoloana ny herisetra sy vono olona feno habibiana mitranga manerana ny Nosy ankehitriny. Araka ny fandinihany azy dia noho ny alahelo, lonilony, fahadisoam-panantenana ary fahasosorana no antony mampitranga ireny toe-javatra mampalahelo ireny. Mieritreritra, araka izany, ity jeneraly misotro ronono ity fa efa tena anaty fahasahiranana tanteraka ny fiarahamonina malagasy ka miseho amin’ny endrika herisetra ny fahakivian’ny olona sy ny fahasosorany. Tena tsy fahita maneran-tany, araka ny filazan’ny jeneraly Ramakavelo izany hoe polisy am-perinasa manafika fonja izany, saingy eto amintsika dia nitranga ilay izy. Mazava ny resaka, hoy izy fa tsy milamina ny tany ka mila mandinika tsara ny zavatra ataony ny mpitondra, fa tsy hoe variana amin’ny fahazoana fankatoavana avy any ivelany, na falifaly amin’ny fanomezan-toky fa hiverina atsy ho atsy ny famatsiam-bola, kanefa ny eto en-toerana koronatana sy herisetra. Efa miendrika asa fampihorohoroana mihitsy no mitranga etsy sy eroa.

Mila fantatry ny mpitondra tsara ny tena laharam-pahamehana, hoy izy, ny fametrahana ny fitoniana sy ny filaminana eto an-toerana ve, sa ny fihazakazahana hahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena ? Efa amam-bolana maro moa ity ny jeneraly Ramakavelo, izay anisan’ireo tena nanohana an’i Andry Rajoelina tany am-piandohana, no nanaitra ny mpitondra fanjakana ny amin’ny tsy fetezan-javatra maro be eto amin’ny firenena. Raha ny fahenoana azy azy tato ho ato izay dia manohitra ny politikam-pitantanan’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina mihitsy, izy rahateo moa tsy dia mankasitraka ilay sori-dalana. Ankehitriny dia mahitsy ny fitenenany fa tsy mbola milamina ny tany, noho ny lonilony sy ny alahelo ary ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka. Izay araka ny fahitany azy no mampirongatra ny herisetra sy ny fifandirana etsy sy eroa.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT