Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filohan’ny antoko Hiaraka Isika ny jeneraly Albert Camille Vital ka nilazany fa “aleo hiasa ankalalahana ny fitondrana vaovao io ary tokony hifanome tanana amin’izany ny rehetra”.
Nilaza koa izy fa mila mitambatra ny Malagasy amin’ny fampandrosoana ny firenena. Momba ireo fiara tsy mataho-dalana miisa 350 tokony ho nampiasainy nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ary nakarin’ny fitondrana ankehitriny ka natoby ao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha indray dia nilaza i Camille Viltal fa efa nomeny ny mpitandro ny filaminana ireo ary izay no nanomezany an’ireo fiara ireo ho an’ny fitondrana. Nanazava ihany koa izy fa tsy misy olana eo aminy sy ny fitondrana ka vonona izy ny hifanampy raha misy ilana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.