Politique

Jeneraly Camille Vital Atao ambasadaoro any Maorisy ?


  • Talata 17 Janoary 2012

Mandeha indray ny resaka ankehitriny fa hatao ambasadaoro atsy Maorisy ny praiminisitra teo aloha, ny jeneraly Albert Camille Vital.

 Na dia tsy faly amin'ny fihetsiky ny lehiben'ny miaramila amin'izao fotoana izao aza ny jeneraly Camille Vital tamin'ny tsy nanolorana azy hahazo ny galona jeneraly kintana telo dia mandeha ny fikarohan-tseza any ambadibadika any. Misy ny tsiliantsofina milaza fa hatao ambasadaoro atsy Maorisy ny tenany. Etsy andaniny anefa dia anisan'ireo ambasadaoro mahafatrapo ny FAT ny fiasan’ny am-perinasa ao Maorisy. Izy mantsy no ambasadaoro nahavita nandresy lahatra ny firenena hiasany hankato ny fitondrana FAT. Ho sarotsarotra ho an'ny jeneraly Vital araka izany ny hiady hisolo ny ambasadaoro malagasy any Maorisy io. Tsy ny praiminisitra teo aloha ihany fa fantatra ihany koa fa betsaka ireo mpanao politika miady hanao ambasadaoro any ivelany amin'izao tetezamita izao. Antony maro no fantatra fa mahatonga izany. Ahiana ho rendrika ny sambon'ny FAT ka mitsipatsipaka izy ireo. Antony faharoa ihany koa ny fahazoan'ny mpanao politika malaza ny toeran'ny raharaham-bahiny ka tsy vitsy ireo sahy miady toerana.

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT