Politique

Jeneraly Béni Xavier sy Ralala Roger Samy tsara toerana ho praiminisitra


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Anarana jeneraly roa no re fa mety hisafidianana izay olona hapetraka eo amin’ny toeran’ny praiminisitra hisolo an’i Mahafaly Solonandrasana Olivier amin’izao fotoana dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena Rasolofonirina Béni Xavier sy ny Sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika Ralala Roger.

 Anarana jeneraly efa nihaodihaody, fa hoe hatao praiminisitra ihany koa ny an’ny minisitry ny toekarena Herilanto Raveloharison, saingy nijanona ho siosion-dresaka aloha. Mila toky amin’ny hisian’ny fahamarinan-toerany hatrany ny fitondrana mba ho tsara fiarovana, indrindra amin’izao fotoana ankatoky ny fifidiana izao. Anarana manamboninahitra hatrany no somary nifamahofo tato ho ato, fa atao praiminisitra, ary efa tamin’ny faramparan’ny taon-dasa teo no nitaterana teto, fa tsara toerana ny Jeneraly Ralala Roger, izay ao an-dapa aloha no misy azy. Sokajiana ho mahafehy kokoa ny tafika kosa ny jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier amin’ny maha minisitry ny fiarovam-pirenena azy. Mazava fa hihenjana amin’ny lafiny rehetra ny fitondrana na eo amin’ny fametrahana ny kajikajy politika raha tanteraka io fametrahana manamboninahitra ho praiminisitra io. Ho avy ny mety ho fampanekena sy fanerena an-kolaka ny vahoaka hanaiky izay paikady politika sy kajikajy tiany hapetraka na mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Ny mpanao politika atahorana amin’ny fifidianana moa, dia io efa iaraha-mahita io ny filana kisa sy antsojay ary ny kapa ranjo. Mazava ny tanjona raha tanteraka io, dia ny hifehy ny vahoaka sy ny mpanao politika, ary ny tafika amin’ny fomba rehetra. Mikasika ny praiminisitra ankehitriny kosa, dia mety haverina ho minisitry ny atitany tsotra, ka hiasa mafy toy ny efa nataony amin’ny kajikajy fampandaniana ny kandidam-panjakana, izay isan’ny tena nahafantarana azy, ary kapoakany mihitsy. Ho tanteraka eto amin’izay angamba ilay hoe « gouvernement de combat », raha tontosa eo tokoa ny fametrahana praiminisitra miaramila ity satria dia hihamafy ny ady ho amin’ny fampandresen’ny HVM ny tolony dia hanohy 5 taona manaraka eo amin’ny fitondrana. Mbola maro anefa ny zavatra mifamahofaho ao, toy ny tsy fifampatokisana satria matahotra ny havadiky ny namana akaiky i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana. Izay no voalaza ho anisan’ny antony lehibe mampisalasala azy amin’ilay hoe tsy maintsy mametra-pialana, raha hirotsaka sy ny fikasana hanova lalàmpanorenana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT