Politique

Jean Ravelonarivo Nofandrihan’ny Prezidansa


  • Sabotsy 09 Aprily 2016

Nampanantsoina tampoka teny Iavoloha omaly maraina ny praiminisitra Jean Ravelonarivo fa hoe misy dosie mila dinihana maika.

 Tsy fantatra izay votoatin’ny resaka tao, na koa izay olona niresaka tamin’ny praiminisitra. Ny filoham-pirenena mivantana ve, sa ireo mpanolotsaina ? Nivoaka ny lapa avy eo ny praiminisitra, raikitra tampoka ny fanambarana.

Fametraham-pialana faobe

Mazava ny fanambaran’ny jeneraly Ralala Roger sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repobika raha namaky ny didim-panjakana laharana faha 2016-249 fa ekena ny fametraham-pialana atolotry ny praiminisitra Jean Ravelonarivo  amin’ny anarany manokana sy amin’ny anaran’ny governemanta.Voatondro fa mitondra ny datin’ny zoma 8 aprily io taratasy fametraham-pialana io. Mandra-piandry ny fitsanganan’ny governemanta vaovao kosa anefa dia miantoka ny fampandehanan-draharaha andavanandro ireo mpikambana ao amin’ny governemanta nametra-pialàna, araka izay tandrify azy avy.

Voafandrika

Ny folakandro indray dia nanao fanambarana teny Mahazoarivo ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ary nilaza mazava fa tsy nanasonia ny taratasy fametraham-pialana natolotra azy avy hatrany izy fa mbola nilaza hoe aleo aloha hiresaka amin’ny fianakaviako aho. Ny manaitra eto dia ny hoe :   « taratasy fametraham-pialana natolotra azy », izany hoe tsy ny praiminisitra mivantana no resy lahatra fa tokony hiala ka nanoratra taratasy fa efa nisy taratasy vonona avy any ambadibadika tany ka natolotra azy dia notenenina izy hoe : soniavo io ! Taratasy fametraham-pialana tsy mbola nisy sonian’ny praiminisitra ve izany no fototra niaingan’ilay fanambarana nataon’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika satria nilaza ny jeneraly Jean Ravelonarivo fa tena gaga ny tenany tany anaty fiara raha nandre fanambarana fa neken’ny filoham-pirenena ny fametram-pialan’ny governemanta sy ny praiminisitra ? Inona no nahatonga ny prezidansa niantso mpanao gazety tampotampoka nanomboka tamin’ny 1 ora antoandro omaly fa hoe misy fanambarana goavana atao eny Iavoloha ary nambara fa hoe atao afaka 30 minisitra io fanambarana io. Valiny : nanaovan’ny prezidansa vela-pandrika ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ary tafiditra tamin’izany. Mody nantsoina teny Iavoloha, natao hitan’ny mpanao gazety efa teny, dia natao ny fanambaran avy eo fa nametra-pialana.Mialohan’izay dia efa nampidirina an-dakazerina ny foloalindahy sao misy manara-dia na manohana ity jeneraly praiminsitra ity araka ny siosion-dresaka efa re hatry ny ela. Nihanjahanja irery i Jean Ravelonarivo omaly ka na nilokaloka roa andro mialoha aza fa tsy hametra-pialana, dia voatery tsy maintsy nanaiky handao an’i Mahazoarivo ihany.


RTT sy Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT