Manomana mafy ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo raha ny resaka mivoaka.
Nisafidy ny nangina izy hatramin’ny gidragidra momba ny fialany na ny fanerena azy hiala ny volana aprily 2016, izay tena lasa resabe teto amin’ny firenena. Tsy nomena toerana hafa na notendrena tamina andraikitra ambony intsony taorian’ireny, izay azo ilazana fa tapaka tanteraka ny rohy nampifandray azy sy ny fanjakana HVM. Mahalala zavatra maro tao anatin’ny fitondrana HVM ny tenany ary mety hamotika ny antokon’ny mpitondra ny firotsahany satria azo antoka fa hanana bala maromaro hitifirana ny fanjakana HVM, izay ho lasa mpifanandrina tanteraka aminy ity tompon’andraikitra ambony teo aloha ity. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa vao nesorina teo amin’ny toerany izy, dia tsy niandry ela i Tata Ambroise, filoha lefitry ny HVM sady andry niankinan’ny Antoko fa nametra-pialana tsy ho ao anaty sambon’ny antokon’ny fitondrana ihany koa. Misy rohim-pihavanana rahateo izy mirahalahy mianaka ireo, izay mety ho poizina ho an’ny HVM ihany ny fahatapahan’ny fihavanana taminy.
Toeran’ny praiminisitra : Toeram-panangonam-bola ?
Hatramin’ny fotoanan’ny tetezamita dia tsikaritra ho nahazo vahana ilay olona avy praiminisitra, dia mikendry indray ny toeran’ny filoham-pirenena. Maro ny mpandinika no mihevitra sy milaza fa toerana natao hanangonam-bola sy harena hahafahana manao propagandy mihitsy io. Niarahan’ny rehetra nahita i Monja Roindefo, izay fotoana fohy ihany no teo fa afaka nirotsaka sy nisy ny nenti-manana tamin’ny propagandy. Teo ihany koa i Camille Vitale, nanao izay ho afany tamin’ny propagandy, ary nalaza tamin’ny fisian’ireo fiara tsy mataho-dalana 350, voalaza fa saika hanambazana ny tafika. Aty aoriana ihany koa dia efa nilaza ny hirotsaka ny praiminisitra teo aloha, Jean Omer Beriziky. Efa nivoaka ihany koa ny resaka fa mety hirotsaka sy handoto rano fotsiny ny praiminisitra ankehitriny Mahafaly Solonandrasana Olivier, raha vao hesorina amin’ny toerany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.