Politique

Jean Ravelonarivo Kabary farany eny Iavoloha


  • Alakamisy 07 Janoary 2016

Iza no ho praiministra vaovao ? Io indray izao no re eny ambavan’ny maro ; izay milaza fa tsy misy antenaina intsony amin’io praiminisitra amin’izao io, izay lasan-ko vavany fotsiny.

Mitsingilahila ny sezan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean. « Tsipindy sisa io dia mirodana », hoy ny resaka re any anaty taksibe sy eny amin’ny toerana misy havorivoriana rehetra eny. Tonga hatramin’ny filazana fa io asaramanitra rahampitso  janaory 2016 eny Iavoloha io no mety ho fandrasaim-pitenenana farany hataon’ny jeneraly Ravelonarivo Jean, amin’ny maha praiminisitra lehiben’ny governemanta azy.

Nihemotra

Ho feno herintaona amin’ny 14 janoary ho avy izao ny nanendrena an’i Ravelonarivo Jean ho praiminisitra lehiben’ny governemanta, nandimby toerana an’i Kolo Roger. Efa nisasak’alina no nivoaka ny anarany tamin’izay. Noheverina fa hahavita zavatra tokoa izy, nipoapoaka ny kabariny isaky ny mandray fitenenana. Sesilany ny famoriana ireo antokon-draharaham-panjakana taorian’ny nandraisany fahefana, fa dia vita hatreo ny indra fo, ho faizina ny mpanao kolikoly, … saingy nijanona ho resaka fotsiny ireny. Tsy azo ianteherana ny vokatra azony tao anatin’izay herintaona naha teo Mahazoarivo azy izay.

Teo amin’ny ady amin’ny kolikoly. Mazava ny tarehimarika, laharana faha-133 amin’ny firenena 174 no misy an’i Madagasikara. Nihemotra ny laharantsika, na ny marimarina kokoa nirongatra ny kolikoly teto Madagasikara. Nivandravandra izany teny Tsimbazaza tao anatin’ireo fikasana in-droa miantoana nataon’ny depiote hanongana ny filohan’ny Repoblika avy eo ny governemanta. Toy izany koa tamin’iny fifidianana Senatera natao ny 29 desambra 2015 lasa iny.

Toy ny rano natondraka ambohon-gisa ny antso avo nataon’ny filohan’ny Repoblika hiadiana amin’ny kolikoly, fa tsy tontosan’ny governemanta ny iraka ampanaovina azy. Nampiteny ny moana ny raharaha Bekasy, nambara fa atidohan’ny mpanao trafikana boaderôzy, nosamborin’ny Bianco, nalefa teny amin’ny Fitsarana nefa dia votsotra mangingina teny am-ponja. Tsy mahagaga raha kilasian’ny Transparency International ho isan’ny firenena tena anjakan’ny kolikoly i Madagasikara.

Tsianjery sisa

Betsaka ihany izay antso ren’ny vahoaka nataon’ny filoham-pirenena hiadiana amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena izay, fa tsy misy mpihaino. Vao mainka aza mirongatra. Lasa hatrany ny boaderôzy. Vao tamin’ny desambra 2015 iny no nisy kaontenera 12 feno voamboana nosisihana baoderôzy 450 tao Toliasa saika halefa any Chine. Ripaka andro aman’alina ny sokatra. Vao tamin’ny 25 desambra no nisy Sinoa nitondra 4 valizy saika hoentina any Chine niainga teny Ivato. Fongana tsy manam-pitsaharana ny harena an-dranomasina, toy ny manjo ny « concombre de mer » any Sainte-Marie.

Ny tsy fandriampahalemana mao dia efa mampiteny ny moana, ary manamporofo izany ny antontanisa. 6 ny trangana fakana an-keriny niseho nandritra ny 2015 raha 3 izany tamin’ny 2014. 6 ny fitarainana momba ny fandrahonana an-telefaonina tamin’ny 2014, nitombo ho 15 izany tamin’iny 2015 iny. Raha 39 ireo fikambanan-jiolahy sarona tamin’ny 2014, niakatra ho 74 izany tamin’ny 2015. Santionany ihany ireo, ampy hilazana fa tsy azo ianteherana io governemanta Ravelonarivo io. Ilay Paikady Natao Dinasa sy ny  Paritra Malagasy zary Ohabolana moa dia tsianjery no niafarany, fa ny fampiharana samy mihalangalana.

 


 

Jean D. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT