Politique

Jean Ravelonarivo Antomotra ny fanesorana azy ?


  • Alakamisy 28 Janoary 2016

Fa inona no zava-miseho eny Mahazoarivo no toa sahira-malalaka ao an-dapany ny praiminisitra ?

 

Ny fiandohan’ny herinandro teo dia nampahafantatra ireo lehiben’orinasa fanaovan-gazety ny tonian’ny serasera ny eo anivon’ny fiadidian’ny praiminisitra fa hisy fiarahana misakafo amin’ny praiminisitra ny jeneraly Ravelonarivo Jean eny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny alakamisy 28 janoary maraina  ireo tompona gazety ireo na ny lehibeny. Akory anefa ny fahagagana fa halina tokony ho tamin’ny 9 ora dia nantsoina tsirairay indray ireo tompona gazety ireo fa tsy raikitra ilay fiarahana misakafo maraina fa hahemotra amin’ny fotoana hafa ary tsy nisy fanazavana hafa raha ohatra hoe narary tampoka ny praminisitra na tsy maintsy nisy dia tampotampoka na adidy maika tsy maintsy halehany. Izay no mahatonga ny fanontaniana hoe fa misy inona loatra ao no nahatonga izany fiovan’ny fandaharam-potoana tampoka izany ? Ankehitriny moa dia mandeha be ny feo mahakasika ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta na dia nambaran’ny filoham-pirenena fa misy ny olona andairan’ny tsaho momba azy io aza ary misy no tsy handairany. Re avy eo fa nahazo toromarika (?) mba hangina fa tsy ho be resaka sy tsy hiseho vahoaka intsony ingahy praiminisitra. Tranga izay toa manaporofo fa efa hoesorina aminy tsy ho ela ny fahefana eo am-pelatanany. Zavatra izay manaraka ny lôjika politika taorian’ny fahavitan’ny fifidianana loholona ka nandresen’ny HVM, manavao ireo mpiara-miasa aminy ny filoham-pirenena ka izay tena mitovy firehana sy fomba fijery aminy no hantsoiny. Ny praiminisitra Jean Ravelonarivo rahateo izay efa nahoraka be tato anatin’ny volana vitsivitsy izay fa mety ho anisan’ireo kandida filoham-pirenena amin’ny 2018. Tsy atao mahagaga raha manilika azy ny filoham-pirenena satria mety ho mpifaninana aminy io ka fomba fiady ny mampihena ny fahefana eo am-pelatanany. Efa misy moa ny anarana mpandraharaha iray malaza fa ho solon’ny Jeneraly Ravelonarivo Jean. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny toe-draharaha .


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT