Endrika vaovao tsy dia fahita teny an-kianja ny an’ny Ambasadaoro Jean Pierre Rakotoarivony ka voatery nitondra fanazavana misimisy kokoa ny aminy manokana ny lehilahy nialoha ny tena nampitany hafatra an-kabary tetsy amin’ny Magro Behoririka, omaly.
Nambarany àry fa tena ambasadaoro tany Etiopia tokoa ny tenany saingy nilan’ny FAT vaniny ka nesoriny teo amin’ny toerany efa tany amin’ny volana martsa 2009. Ka naninona no izao vao mba tonga ety amin’ny Magro angamba, hoy ny fanontanianareo ? Tsotra ny valiny, hoy ity ambasadaoro taloha ity. Nanomboka teo aho dia nanampy ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny fifandresen-dahatra tany ivelany tany mikasika ny krizy Malagasy ary dia tena ambasadaoronareo vahoaka nivantana indray aho tamin’izany. Vao enim-bolana ny tenako no tonga teto Madagasikara, hoy izy. Ny zavatra tsapako dia fitadiavana tsotra izao ny tsy hivoahana amin’ny krizy no ataon’ny mpitondra ankehitriny. Tsy vonona amin’ny fifampidinihana ry Rajoelina sy ny tariny, hoy izy, nefa any amin’ny andininy voalohany amin’ny tondrozotra dia efa milaza fa tohizana ny fifampidinihan’ny samy Malagasy. Raha tsy mbola misy fitoniana politika eto dia tsy hisy dikany izay fifidianana hatao amboletra.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.