Tsy misy ny fitoniana eto amin’ny firenena satria miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka Malagasy.
Tsy fantatra mazava ny politikam-pitantanana hentitra ravy amin’ny fanjakana manoloana ny fahantrana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara ary mikiky ny fiaraha-monina ihany koa ny kolikoly, hoy ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky. Manakatom-baravarana sy manao bemarenina rahateo ny mpitondra fanjakana amin’ireo fanehoan-kevitra sy vahaolana isan-karazany haroson’ireo mpisehatra samihafa eto amin’ny firenena. Mandidy dia homana amin’ny fanapahan-kevitra raisina fa tsy mihaino na mijery akory ny hetahetan’ny olom-pirenena ny fitondrana Rajaonarimampianina, hoy hatrany ity lehiben’ny governemanta teo aloha ity. Mampalahelo rahateo ny zava-misy satria ny mpitondra ambony natao ho modely mihitsy no mpandika lalàna. Fihetsika tsy mendrika mampitombo ny hantsana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, hoy ny lehiben’ny antoko MAMIMAD (Malagasy Miara-Mandroso Aron’ny Demokrasia). Tsy fifampitokisana eo amin’ny roa tonta mamparefo ny fahefam-panjakana, araka ny fanamarihany.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.