Politique

Jean Omer Beriziky Araha-maso akaiky


  • Alatsinainy 30 Mey 2016

Miitatra ny fanaraha-maso ataon’ny fitondram-panjakana ireo olona maro samihafa taorian’ny fivoahan’ny resaka fa misy mieritreritra hanakorontana sy hanongam-panjakana.

 

 

 Tsy nijanona tamin’ny fisavana ny tranon’ny senatera Lylison sy ny mpandraharaha Maminiaina Ravatomanga ny raharaha fa tonga any amin’ny faritra koa. Ao Toamasina dia fantatra izao fa anisan’ny olona araha-maso ny praiminisitra teo aloha Jean Omer Beriziky

 

Fanangonan’olona hanakorontana

Ny angom-baovao marim-pototra avy amin’ny mpitandro ny filaminana no nahalalana fa tsy mazava eo anivon’ny fitondram-panjakana ity praiminisitry ny tetezamita teo aloha ity. Miahiahy ny fanjakana fa misy ifandraisany ireo roa lahy voasava trano sy namoahana didy tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara teto Antananarivo farany teo ireo sy ity praiminisitra teo aloha ity. Misy ihany koa aza feo henon’ireo mpitandro ny filaminana ao Toamasina fa misy fikononkononana fanangonana andian’olona hanao fanakorontanana ao Toamasina ataon’ny senatera Lylison, anisan’ny voasaringotra ao anatiny ingahy Jean Omer Beriziky amin’ny fanangonana ireo olona ireo raha io loharanom-baovao io. Fantatra ihany koa fa arahi-maso akaiky koa ny kolonely Charles de Favier izay fantatry ny maro fa anisan’ny nanao ny fampandrian-tany ny taona 2002 ireny sy ny  Ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay namana tsy nifankafoy tamin’ny Kolonely Lylison tamin’ny 2009. Na teo aza ny tsy fifankahazoana teo amin’izy roa lahy teo aloha teo, dia miahiahy ny fanjakana ankehitriny ny amin’ny mety hisian’ny fiarahana indray eo amin’ny roa tonta. Mety hosavana trano koa ve izany ingahy Jean Omer Beriziky atsy ho atsy na hatao fanadihadiana eny amin’ny mpitandro ny filaminana ?  Farany dia fantatra fa nohamafisina ny fanaraha-maso sy fiambenana ny entana mivoaka sy miditra ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina noho ny ahiahy amin’ny fisiana trafikana basy

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT