Politique

Jean Nirina HAFARI “Tsy maty izany aho”


  • Talata 03 Janoary 2017

Niely be tamin’ny tambajotran-tserasera facebook andro vitsivitsy lasa izay fa namoy ny ainy teny amin’ny fonjaben’Antanimora ny sabotsy 31 desambra lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Raha tsiahivina kely anefa ny tantara dia ny 22 desambra lasa teo izy no navoakan’ny lehiben’ny fampanoavana etsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy ary nalefa mba hitsabo tena eny amin’ny hôpitalin’ny miaramila Soavinandriana. Aretin-tratra azony tany am-ponja no mahazo azy, antony nametahana serum taminy andro aman’alina nandritra ny andro maromaro. Efa mba mihatsara ny fahasalamany ankehitriny saingy ny nahavariana dia nisy nanely vaovao tsy marina fa maty izy. Tonga niakatra eto an-drenivohitra avokoa vokatr’izany ireo mpikambana ao amin’ny HAFARI  avy any amin’ny faritra  sy avy any ivelany. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa betsaka ireo mpamangy manjo hanatitra fao-dranomaso no tonga teny amin’ny tranon’ny filohan’ny HAFARI eny  Anosizato Andrefana noho ny fielezan’ity vaovao tsy marina ity hatrany, valopy izay voatery naterina teny amin’ny hôpitaly nividianana voankazo. Tsiahivina moa fa mahatratra 83 isa hatreto ireo  fitoriana nanenjehana ity filohan’ny HAFARI Malagasy ity. Ny 82 amin’ireo dia nahazoany fahafahana vonjy maika avokoa raha ilay raharaha fitananana olona an-keriny telo andro sy telo alina no mbola hitazonana azy vonjy maika eny amin’ny fonjaben’Antanimora.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT