Hiverina amin’ny asa niantsorohany toy ny teo aloha ny fikambanana HAFARI Malagasy. Omaly no nampahafantaran’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina tamim-pomba ofisialy izany ka anisan’ny laharam-pahamehana ho azy ireo ny fiarovana ny zon’olombelona.
Notsindriany anefa fa tsy mihevitra ny hanao valifaty velively ny tenany taorian’ny nivoahany ny fonja fa ny fanasoavana ny vahoaka izao no tena mahamaika. Hampianatra manokana momba ny zon’ny voafonja izy ireo, hitsinjo ireo zaza amam-behivavy hiharan’ny tsindry hazo lena ao an-tokantrano ihany koa. Hitsinjo ireo mpanao fanatanjahantena eny ambany tanàna izay tsy manana tany hilalaovana intsony ny ankamaroany ankehitriny. Mampiitatra ny tsy fandriampahalemana miseho eto amintsika mantsy ny tsy fahampian’ny fialamboly eny amin’ireny faritra iva ireny. Mikasika ny aretina pesta manokana moa dia nambarany fa handray ny andraikiny ihany koa izy ireo toy ny fampahafantarana ny aretina amin’ny mpiara-belona, ny fandraisana anjara amin’ny asa fanadiovana ary ny fanatonana dokotera raha vantany vao misy trangan’aretina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.