Politique

Jean Navandahy Ratiharison « Handany volam-panjakana fotsiny ny fampihavanam-pirenena»


  • Alarobia 30 Aogositra 2017

Anisan’ireo fikambanana nametraka vina hampandray anjara ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fampandrosoam-pirenena ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso tarihin’ny filohany Jean Navandahy Ratiharison.

 

Aminy dia tokony hanabeazana ny olom-pirenena ho tia ny tanindrazany ny vola hatontona ho an’ilay komitin’ny fampihavanana malagasy vaovao. Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fanovana governemanta koa izy. Nitafa manokana taminy ny gazety Tia tanindrazana.

Tia tanindrazana (TT) : Nanaitra ny maro ny fiovan’ny governemanta izay toa tsy nifandraika tamin’ilay filazany hoe hoesorina izay tsy nahatontosa ny asany ary tokony hametra-pialana ihany koa izay mahatsapa tena. Ny hevitrao ?

Jean Navandahy Ratiharison (JNR) : Tsy nisy nametra-pialana ankoatry ny minisitry ny vola sy ny tetibola. Ny dikan’izay angamba dia nahatsapa tena ho nahomby ireo hafa. Nisy ny fanesorana sy famindran-toerana. Ny fahitako azy dia resaka fikajiana fitoniana politika no antony. Manahy ny filoham-pirenena sao tsy hahatsara zavatra ny mpanohitra be loatra ao anaty fitondrana satria haintsika ihany ny toe-tsain’ireo mpanao politika ka izao dia mahita hoe teknika tanteraka ilay fanovana nisy. Nety nialana tao koa anefa ny hoe sao mbola hitsapatsapa sy hanavao ireo olom-baovao.

TT : Voalaza ho minisitera nahomby ny teo anivon’ny raharaham-bahiny. Nalana tamin’ny toerany koa anefa ny minisitra niandraikitra azy teo aloha. Ny fahitanao azy ?

JNR : Tsy midika hoe tsy nahomby matoa nalana fa mety hotendrena amina toerana ambony kokoa. Niasa anie ny minisitra Atallah Béatrice matoa tanteraka teto ny Comesa sy ny Frankôfônia e ! Izaho mino fa mety mbola hapetraka amina toerana ambonimbony kokoa amina sehatra ifandraisan’i Madagasikara amin’ny any ivelany izy.

TT : Avadika kely ny resaka, voatendry ankehitriny ireo 33 mianadahy handrafitra ilay filankevitra vaovaon’ny fampihavanana Malagasy na CFM. Ahoana kosa indray ny fahitanao azy ?

JNR : Ho anay dia ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny izao no tokony ho laharam-pahamehana. Ny fambolena ny fitiavan’ny Malagasy ny tanindrazany no mila imasoana. Na ny filoham-pirenena aza nalaindaina tamin’io satria herintaona sisa dia ho tapitra ny taom-piasany. Izay tsy tafiditra amin’io dia mety hanohitra. Ny fanovana toe-tsaina no tokony hatao amiko fa ny gasy tsy miady. Mila atontona amin’ny fanabeazam-pirenena ny vola kasaina holaniana amin’io. Ny Za’gasy dia sahy milaza fa manohitra ny fananganana io CFM vaovao io satria efa niaraha-nahita ny teo aloha rehetra. Ny ahiana ary dia vao mainka io indray no sanatria hiteraka fisaraham-bazana eto.

Nangonin’i J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT