Nilaza ofisialy fa tsy salama ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita, hoy ny CT Jean Michel Henri, Kestora Voalohany ao amin’ny Kongresy.
Izay no filazany ka tsy nahatongavany tamin’ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Kongresy, ary telo andro no nolazaina fa tsy haha eo azy. Mahagaga sy mahalasa eritreritra, hoy izy fa ny prezidà no marary dia ny ekipa manontolo no tsy tonga. Zavatra mpahazo ny olombelona ny tsy fahasalamana, fa izy 57 avy amin’ny ankolafy Ravalomanana mpikambana ao amin’ny Kongresy indray tsy tonga avokoa no maha lasa fisainana hoe : inona no anton’izay ? Ny prezidà irery ihany no nahatonga fialan-tsiny ka mihatra ny fitsipika anatiny dia ny zokiolona ao amin’ireo filoha lefitra no mitarika ny fivoriana izao ka mandeha ara-dalàna ihany ny fivoriana ara-potoana.
Raha mikasika ny resa-bola ato amin’ny CT, hoy ny Kestora Henri Michel, dia tsy misy resaka tombontsoa izany ato fa fitaovana entina hiasa no homena. Ohatra hoe avy any Toliara na Antsiranana ianao, avy lavitra, dia homena saran-dalana. Izahay tsy manam-bola amin’izao fotoana izao hamerenana ny volan’ireo CT avy lavitra ireo. Na ny tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana faha-4 farany teo aza dia efa nanomboka teo izahay no tsy nanao io famerenam-bolan’ny CT io noho izany tsy fisiam-bola izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.