Politique

Jean Michel Henri Tsy hiadanana no hidirana CT fa fiaretana


  • Talata 10 Janoary 2012

Tsy mbola misy vola azo nampiasaina teto anivon’ny Kongresin’ny tetezamita noho ny «engagement» tsy mbola vita.

 Rehefa natomboka anefa ity fivoriana tsy ara-potoana ity dia nandoa am-paosy avokoa ny mpikambana CT rehetra nahatongavana eto Tsimbazaza, hoy ny Kestora voalohany, Jean Michel Henri. Zava-dehibe loatra mantsy ny hodinihana ato anatin’ny 12 andro hirosoana marina any amin’ny fifidianana, dingana voalohany amin’izany ny fametrahana ny CENI. Tsy maintsy atrehana ity fivoriana ity na ahoana na ahoana, hoy ihany izy. Izay no hiangaviana ny fahatsoran’ny mpikambana CT rehetra manoloana ny fahasarotana miandry. Matoa miditra ato tsy hoe hiadanana fa hitadiavana vahaolana, ao anatin’izany ny fiaretana amin’ny zavatra atao, hoy ihany izy. Raha resaka fifidianana na dia antoko zandriny aza ny TGV misy azy dia nambaran’ny Kestora Jean Michel fa efa mahenika ny Distrika rehetra manerana ny Nosy izy ireo ary vonona amin’ny fifidianana rehetra ho avy. Ny amin’ny mety hitambarana amin’ny antoko hafa na fivondronana politika isan-tokony dia nambaran’ity mpanao politika ity fa mbola stratejia ketrehana izany ka tsy izao no fotoana hilazana azy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT