Politique

Jean Max Rakotomamonjy Zaza maditran’ny Leader Fanilo


  • Alakamisy 04 Febroary 2016

Manadio trano ny antoko Leader Fanilo.

 

 Mahatsapa ny Komity mpihevi-draharahan’ny antoko, tarihin’i Andriamiarisatrana Noel fa misesy loatra ary efa tsy azo leferina intsony ny fahadisoana bevava sy ny tsy fanajana ny soatoavin’ny antoko nandikàna ny foto-kevitra, ny fepetra sy ny fitsipi-pifehezana ary indrindra ny tsy fanajana ny fenitra etika politika, izay imatimatesan’ny Leader Fanilo, nataon’ny Birao mpandrindra nasionaly tarihin’i Jean Max Rakotomamonjy. Nilaza ireo mpihevi-draharaha fa niala nenina ihany nanitsy sy namerin-doha ireo mpikambana nitady hania sy hiarovana ny antoko tsy hibiririoka any amin’ny lalana tsy araka ny nananganan’ny filoha mpanorina, Herizo Razafimahaleo azy, saingy sendra ny “zaza maditra” tsy laitran’ny fananarana, koa nanapa-kevitra ireo mpihevi-draharahan’ny Leader Fanilo tamin’ny 16 desambra 2015, fa naato amin’ny asany ny Birao mpandrindra nasionaly tarihin’i Jean-Max Rakotomamonjy, “izay efa tsy afa-manapa-kevitra noho ny tsy fananany fetr’isa ahafany manao izany”. Nanendry vaomiera teknika izay miendrika birao mpandrindra vonjimaika ny antoko, izay tarihin’i Mahosindrahaja Heriniaina na Babala, filoha nasionalin’ny Tanora Leader Fanilo. Iraka hampanaovina azy ny hisahana ny fampandehanan-draharahan’ny antoko hanao ny fanadiovana anatiny sy hikarakara ny filankevitra nasionaly hamerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny antoko, izay heverina hotratrarina ato anatin’ny telo volana, hifidianana ireo mpikamban’ny birao nasionaly hitantana ny antoko.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT