Politique

Jean Max Rakotomamonjy « Tsy kandidà filoha izany aho »


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Tsy mbola nieritreritra ny ho kandidà filoham-pirenena amin’ny 2018 aho, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy, omaly, teny Tsimbazaza raha nanontanian’ny mpanao gazety tamin’ny feo niely tato ho ato izy.

  Mbola lavitra ny lalana hodiavina vao ho tonga amin’ny fametrahan-kilatsahan-kofidiana isika ka tsy mbola fantatra izay mety ho fiovan-kevitr’ity mpanao politika ity. Ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ihany koa tsy mitsahatra mivoatra andro aman’alina. Nifarana omaly tolakandro, araka ny efa nanarahan’ny rehetra azy tamin’ny haino amanjerim-panjakana ny fivoriana ara-potoana faharoa natrehan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara tamin’ity taona ity. Nambaran’ny depiote Jean Max  tao anatin’ny kabary famaranana nataony fa nahatratra 44 ireo volavolan-dalàna nolanian’ireo depiote teny Tsimbazaza nandritra ny 90 andro nivorian’izy ireo ary volavolan-dalàna 2 no mbola haverina hodinihana amin’ny manaraka. Tsy maintsy hisy ny fivoriana tsy ara-potoana hatao ato ho ato fa mbola volavolan-dalàna iankinan’ny aim-pirenena maromaro no hakana fanapahan-kevitra hofidiana ety aminay, hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana izay tokony  halefan’ny governemanta amin’izay eny Tsimbazaza mba hahafahan’ny depiote mandinika sy mandany azy.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT