Mila fitoniana ny vanim-potoana lalovan’ny firenena ankehitriny ary tena zava-dehibe ny fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra amin’izao zava-misy izao, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena.
Hiezaka manokana rahateo ny tenany, araka ny nambarany ny tsy hisian’ny korontana amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana miainga eny anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity tahaka ny nitranga rehetra teo aloha. Voasolotena ao anatin’ny governemanta avokoa mantsy ireo vondrona parlemantera eny Tsimbazaza. Azo atao tsara ihany koa ny manohy ny fifampidinihana amin’ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy depiote mikasika ny fijoroan’ny governemanta fahatelon’ny Repoblika faha-IV, araka ny fanazavan’ny filoha Rakotomamonjy Jean Max. Ankilan’izay, mitaky ny hamoahan’ny fanjakana ilay vola 200 tapitrisa ariary isaky ny distrika ho tantsoroka amin’ny fampandrosoana ifotony, izay efa voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana ireo depiote. Maro ireo asa maika mila atao, hoy izy ireo ka avoahy ny vola. Hanolotra ny politika ankapoben’ny fanjakana sy ny fomba hanatanterahana azy eo anoloan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara moa ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana ny 9 mey 2016.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.