Hatramin’ny omaly no nafampana ny resaka fanonganana ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena na dia tsy voasoratra tao anaty fandaharam-potoana aza.
Anisan’ny voalaza ho antony lehibe hanonganana ny filoha sy ny birao ankehitriny ny tsy fiadiana ny tombontsoan’ny solombavambahoaka, toy ny fiara tsy mataho-dalana. Eo ihany koa ny kajy politikan’ny HVM amin’ny hametrahany ny tena olony amin’ny fitantanana andrim-panjakana, toy izay efa natao tao amin’ny antenimierandoholona. Asa na hatao kopisoroka, toy ny tetsy Anosikely, ka na tsy tao anaty fandaharam-potoana mazava aza dia natao amboletra ny fifidianana nametrahana an-dRivo Rakotovao, filoha nasionalin’ny HVM nisolo an’i Honoré Rakotomanana. Malazalaza ny anaran’i Milavonjy Philobert, depiote voafidy tany Ambovombe Androy, fa izy no mety hasolo an’i Jean Max Rakotomamonjy. Depiote lany tamin’ny alalan’ny VPM-MMM izy saingy namadika palitao, ka zary lasa HVM rehefa nandeha ny fanambazana sy fananganana ilay vondrona politika HVM tao amin’ny antenimiera hiarovan-tseza na tsy nanana na tamingana depiote aza ny antokon’ny fitondrana. Voasokajy ho solombavambahoaka sakaiza mahatokin’ny HVM izy ka hampitenenina rehefa misy raharaha mafampana, indrindra fa ny fanaratsiana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana. Tsaroan’ny maro ny filazany fa mpamafy lainga i Marc Ravalomanana nandritra ilay jobily fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM tany Antsiranana, nisian’ny fandroahana azy tao amin’ny hotely nitoerany, fa hoe ho avy ao koa ny filoham-pirenena. Voatonona ho mety hatosika ho filohan’ny antenimieram-pirenena ihany koa ny depiote Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite voafidy teto Antananarivo Atsimondrano, depiote lany tamin’ny lisitra tsy miankina saingy efa HVM 100 % ankehitriny ary tena fatra-piaro ny fitondram-panjakana.Nilaza omaly ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy fa tsy mbola nahare io resaka fanovana ny birao maharitra io saingy nambarany kosa fa toerana ifandimbiasana io ka tsy izy mihitsy no hitsivalana amin’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.