Mivoaka ny resaka amin’ny haha kandida filoham-pirenena an’i Jean Max Rakotomamonjy, filohan’ny Antenimieram-pirenena amin’ny taona 2018.
Olona 3 izy ireo no voalaza fa miketrika sy maka ny fon’ny olona any amin’ny faritra avaratry ny nosy, aisan’izany ny tenany, saingy mbola ratsiratsy toerana mitaha amin’ireo 2 hafa raha ny vaovao azo. Manomboka manambitamby ireo solombavambahoaka anefa ity filohan’ny antenimieram-pirenena ity amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao azo. Paikady fampiasan’ireo mpanao politika mikendry ny toeran’ny filoham-pirenena ny fitadiavana firenena na mpanohana vahiny, ka efa mba niketrika koa i Jean Max Rakotomamonjy, izay tany Ukraine tamin’ny herinandro ambony, raha ny resaka heno. Ekena fa tokony halalaka ny fifidianana ary tokony tsy hisy kandida hosakanana izany. Na ny vondrona iraisam-pirenena aza efa mivoy izany indray ankehitriny, raha toa ka izy ireo no tompon’antoka tamin’ny « ni…ni… » tamin’ny taona 2013, ka tsy fantatra intsony izay tanjony. Tokony hohajaina anefa ny lalàna hoe mila mametra-pialana, fa tsy hampiasa ny fahefam-panjakana sy ny volam-panjakana ho an’ny tombontsoa politikan’ny tena manokana. Tsy misy asa mandeha amin’ny laoniny intsony fa variana amin’ny kajikajy isan-karazany ka tavela sy miahaka eo ny anjara adidy nankinina amin’ny tena. Raha tena mahatoky tena dia mila mametra-pialana, toy ny miseho any ivelany fa tsy manao boloky lahy homam-boantseva, ka mamy ny atsy fy ny aroa. Raha raisina ho ohatra ny zava-nisy tany Frantsa, dia nametra-pialana ny praiminisitra Manuel Valls kanefa vao fifidianana savaranonando no natrehina, saingy tsy lany. Maro ireo olom-panjakana efa tokony hametra-pialana dieny izao raha tena manana fahatokisan-tena, saingy tsy misy manao satria miantehitra amin’ny fahefam-panjakana sy volam-panjakana ny ankamaroany. Mikasika manokana an’i Jean Max Rakotomamonjy dia maro no miteny fa ny tohatra aza tsy afaka ny rindrina no hianihana satria ny asa aman’andraikitra sy ireo solombavambahoaka ary ny antoko Leader Fanilo aza tsy voafehy, kanefa any amin’ny toeran’ny filoham-pirenena indray izao no kotrehina. Tsy hay anefa na mba mitifitra lanitra hahavoazana tendrombohitra ny tenany na efa manana ny paikadiny manokana hoenti-mandrombaka ny toeran’ny filoha tokoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.