Fantatra tao anatin’ny kabary famaranana ny fivoriana ara-potoana voalohany nataon’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy teny Tsimbazaza omaly takariva
, fa volavolan-dalàna niisa 42 no nakan’izy ireo fanapahan-kevitra ka nolaniany nandritra izay 2 volana katroka naharetan’ny fiovoriana natrehan’izy ireo izay. Voalaza fa ny 8 tamin’ireo dia volavolan-dalàna nahazoana nanao sonia fampisamboram-bola any ivelany avokoa izay mitentina 156 tapitrisa dôlara Amerikanina na 502 miliara ariary mahery kely. Nambaran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny lahatenim-pamaranana fa mahita mangirana kely ny fihariana Malagasy ka mba hipaka hatrany anaty vilanin’ny Malagasy izany. Saro-dazaina ho faly ny tena amin’izao fifanatrehan-tava izao, hoy izy, nefa dia tsy azo lazaina fa tezitra ihany koa fa malo-tava fotsiny ihany noho ny toe-javatra miseho eto amin’ny firenena amin’ny fisian’ny ra Malagasy nalatsak’ireo mpampihorohoro maty hena ka manao tsinontsinona ny soatoavina Malagasy. Miara-miory amin’ireo nanana ny maty izahay, hoy izy, ary mampahery ireo mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly. Tsy vitan’ny hoe manameloka fotsiny ireo nahavanon-doza izahay fa mampirisika anareo mpanatanteraka hiroso lalina amin’ny fanadihadiana ary hanasazy mafy azy ireo sady manome soso-kevitra koa ny hamerenana sy hanatevenana eto amintsika ny fanabeazana olom-pirenena vanona. Tsy nasiany teny kosa ny mikasika ilay volavalan-dalàm-pifandraisana nampisavorovoro ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Ka eo no nampanontany tena ny mpanara-baovao politika hoe : Tsy tena maloka endrika fotsiny no hita nisoritra teny amin’ny endriky ny filohan’ny Antenimieram-pirenena omaly fa tena nisehoana hakiviana mihitsy. Hoy ny feo nandeha hoe : sao dia bedin’ny mpanatanteraka ary nialoha ny nidirana tao an’efitra fivoriana Atoa Jean Max ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.