Niakatra 4,1% ny harinkarena faobe na teo aza ireo sedra nolalovan’ny firenena, toy ny rivo-doza. 5,1% izany ny taona 2018 raha mitombo ny fampiroboroana fambolena, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy nandritra ny kabariny tamin’ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa teny Tsimbazaza omaly.
Tahaka ny te hilaza sy haneho izy fa tena miasa sy mahavita azy ny fitondrana HVM. Ny resaka fifandraisana amin’ny mpamatsy vola dia noresahiny ny famatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ny kaominina miisa 1000 amin’ny alalan’ny famatsiam-bola momba ny fampandrosoana ifotony na ny FDL. Nambarany fa tena miezaka ny fitondrana amin’ny lafiny fambolena, ny fizahantany, ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna. Efa misy vokatra ny ezaka tamin’ny orinasa JIRAMA, efa misy ny ezaka amin’ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina. Ny resaka toekarena moa dia ampaherezina ny mpamokatra lavanila sy jirofo, na dia mandala sedra toy ny fitotongan’ny vidim-bokatra aza. Mikasika ny pesta, manainga antsika ho tony fa tsy misy zavatra ho vanona ao anatin’ny fikoropahana. Aoka tsy ho diso fahavalo, ary hatambatra ny hery satria ny fahavalo iraisana izao dia ny aretina. Halavirina toy ny fasam-bao ny fifampihantsiana sy ny fisaratsarahana, hoy izy. Momba ny resaka fanovana lalàmpanorenana kosa dia nilaza i Jean Max Rakotomamonjy fa samy mandray anjara amin’ny adihevitra, ary asio hasina ny demokrasia, hoy ity filohana andrim-panjakana ity. Mila mifandresy lahatra amin’ny alalan’ny porofon-kevitra mafonja ihany koa. Fanadiovana sy fandokafana fitondrana ranoray no nataon’ity filohana andrim-panjakana ity. Mipasoka sy miezaka manadio ny fitondrana ao anatin’ny zavatra hita fa tsy mety sy tsy mahomby, ka toa tsy mba misy mihitsy ny lesoka. Izao tokoa angamba ilay hoe mpiasa be vonton’anatra, hany ka toa tratry ny tsindry sy ny baiko avy any ambony hanasohaso ny fanjakana. Efa kabarin’ny mpitady fiara tsy mataho-dalana kosa, hoy ny olom-pirenena sasany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.