Politique

Jean Marc Chataigner «Tsy manana olana amin-dRavalomanana izahay Frantsay»


  • Alarobia 21 Desambra 2011

Dinidinika mikasika ny fampiharana ny tondrozotra sy izay fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana frantsay sy ny Kongresin’ny tetezamita, izay naharitra ora iray teo ho eo, no nifanaovan’ny filohan’ity rafitra mpanao lalŕna malagasy ity, Atoa Mamy Rakotoarivelo sy ny Ambasadaoro frantsay miasa sy monina eto amintsika, Atoa Jean Marc Chataigner omaly teny Tsimbazaza.

 Ankoatra ny fijerena ny olana misy eo amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra dia efa lasa lavidavitra tany amin’izay mety hanampiana an’ireo CT malagasy amin’ny fanomezana azy ireo fiofanana mahakasika ny fifidianana ny resaky ny roa tonta. Mikasika ny tondrozotra dia nambaran’Atoa Chataigner fa manohana sy manaraka ny fampiharana azy io ny firenena frantsay. Mikasika ny hoe tsy fankasitrahan’ny Frantsay ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana araka ny voalazan’ny andininy faha-20 ny tondrozotra dia nandà izany mafy Atoa Chataigner ka nilaza fa manana ny fiandrianam-pireneny ny Malagasy ka anjaran’ny mpitondra ao aminy ny manapa-kevitra ny amin’izany.

Nilaza ho tsy nanana olana tamin’ny filoha Ravalomanana ity Ambasadaoro ity sy ny Frantsay amin’ny ankapobeny matoa efa nandray azy in-droa miantoana tany Frantsa, Jacques Chirac tamin’ny 2004 sy Nicolas Sarkozy tamin’ny 2007, ary nandray ny filoha frantsay Jacques Chirac teto Antananarivo ny taona 2005. Manga ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny Frantsay sy ry zareo Afrikanina Tatsimo, hoy ihany ity Ambasadaoro ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT