Anisan’ireo kandida re niverimberina fa hotohanan’ny ankolafy Ravalomanana ny Dr Jean Louis Robinson avy amin’ny antoko AVANA. Nisy ny tafa nifanaovana taminy nitondrany fanazavana.
Tia Tanindrazana (T.T) : Nandeha be ny feo fa ianao no kandidà hotohanan’Atoa Marc Ravalomanana. Ahoana ny hevitrao ?
Jean Louis Robinson (JLR) : Misaotra anao amin’ny fanontaniana, ary misaotra ihany koa amin’ny fandraisana. Eny, tafahaona tamin’ny filoha Ravalomanana tokoa aho tamin’ny alakamisy farany teo. Marihiko fa tsy nisy fanapahan-kevitra hoe izaho na iza no hotohanana, fa dia fampihavanana no zava-dehibe notapahina tany, ary indrindra ny fifamelana eto Madagasikara. Amin’ny filoha Marc Ravalomanana izany dia mila mifamela sy miray hina aloha ny ankolafy rehetra. Ary aoka izay ny ady anatiny sy ny tsy fitovian-kevitra, fa tanjona iray no mila enjehina, dia ny hiverenan’ny ara-dalàna eto Madagasikara. Aoka hijanona hatreto ny adilahy politika, fa ny fahantrana no fahavalo iombonana ary izay no tokony ho laharam-pahamehana na iza na iza ho filoha hitondra ny firenena.
T.T : Ahoana ny hevitrao nefa manoloana ny fanambarana nataony ny sabotsy teo fa tsy hanohana na iza na iza izy ary hanohitra hatramin’ny farany ny fifidianana ?
JLR : Na izaho tsy izy ary aloha, dia tsy rariny ny fanapahan-kevitry ny CES. Marihiko fa filoha lany tamin’ny fomba demokratika anie ny filoha Marc Ravalomanana e ! Efa nandefitra be izy tsy nilatsaka, ary efa nambarany tamin’ny fomba ofisialy fa ny vadiny no hisolo azy, nefa moa indrisy fa noho ny antony ara-politika dia nolavina indray izany. Ka rariny sy hitsiny raha hanohitra araka izay azony atao izy amin’ny fifidianana izay hisy amin’ny 25 oktobra ho avy izao.
T.T : Dia ahoana izany izao ny hevitry ny antokonao manoloana izany ? Mbola hilatsaka ve ianao ary tsy midika fivadihana manoloana ny ankolafy Ravalomanana ve izany ?
JLR : Mazava be amiko ny tanjon’ny fitondrana ankehitriny. Ataony izay hahakivy ny mpifidy an’ny filoha Ravalomanana, izay marihiko etoana fa mbola maro an’isa. Amin’izay fotoana izay, dia mora foana ho an-dry zalahy ny handany ny kandida izay hotohanany. Aleo hazava fa tsy nisy fifidianana aza anie, tsy menatra akory ry zareo mijoro fa filoham-panjakana e ! Mainka fa hisy io, eny fa na dia folo isan-jato ary ny taham-pahavitrihana. Noho izany dia vonona hijoro aho, hatramin’ny farany, mba tsy hiverenan’ny fitondrana any amin’ny mpanongam-panjakana. Ary manentana ny vahoaka Malagasy aho hifidy, mba tsy ho tafiditra ao anatin’io fandrika lehibe izay ataon-dry zareo io. Izaho dia tsy manery ny Malagasy hifidy ahy, nefa kosa manentana ny hanehoany hevitra mba ahitan’izao tontolo izao fa tsy rariny izao fitondrana misy ankehitriny izao.
T.T : Raha izany no tena hevitrareo, nahoana no toa mangina be ianareo sy ny antoko AVANA ankehitriny ?
JLR : Izahay dia mpanara-dalàna. Ary diniho tsara fa ireo kandidà avara-patana anie no sahy mitety faritra sy manao izay tiany ankehitriny e ! Amiko dia ampy ny fotoana hanaovana ny fampielezan-kevitra hizarako amin’ny Malagasy ny programako. Aleo koa dia tsy tsoriko etoana, fa tsy manam-bola be tahaka an’ny sasany ankehitriny aho, izay mandany be amin’ny fampitaovana sy ny hetsika isan-karazany, fa amiko dia tsy bado ny Malagasy, ka tsy hahalala izay tena milaza ny marina sy mijoro amin’ny fahamarinana. Tsy mihambo aho raha miteny fa minisitra nandritra ny dimy taona ny tenako, nefa diniho ankehitriny fa tsy ampy herintaona akory ny sasany dia jereo ity fandaniana sy fampisehoan-karena ataony anatin’ny fifidianana. Amiko dia porofo mitohoka amin’ny tendany izany fa tsy mazava ny fidiram-bolany.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.