Samy manana ny fomba fijeriny ny firafitry ny governemanta Ntsay ankehitriny ireo mpanao politika.
Ho an’ny mpandrindra ny antoko ALDR, Jean Ignace Randrianirina na Ramasy, manokana dia tsy dia ny fanenana ny isan’ireo minisitra loatra no hitondra fampandrosoana. Araka ny fitombon’ny mponina aza, hoy izy, no tsy tokony hanaovana izany. Be koa moa, hoy ny tenany, ny zavatra tsy nety tamin’ny fifidianana. Tokony hisy dinika mihitsy aloha mikasika an’iny. Tsy nazava ny fitsipi-dalao. Tsy nitovy ny tetibola nampiasain’ireo kandida. Famatsiam-bola avy aiza ? Marina, hoy izy, fa ny niteny ny vondrona eoropeanina hoe malalaka amin’ny fitadiavana loharanom-bola ny rehetra fa misy dikany koa ny teniny hoe akaikinareo mandrakariva izahay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.