Na dia tsy mbola nisy aza ny fampitam-baovao ofisialy dia fantatra fa efa tena nangoron’entana ary tsy mpiasa ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra intsony Atoa Jean Gabriel Harison lefitra voalohan’ny ben’ny tanana.Fantatra ny mponin’ Antananarivo tamin’ny resaka fandaminana ny tsena sy ny mpivarotra amoron-dalana izy
.Mivantana fomba firesaka, nosokajian’ny maro ho mpitantana mahery fihetsika i A1 Jean Gabriel Harison ary tsy misalasala mihitsy izy mifanehitra amin’ny mpivarotra amoron-dalana sy izay rehetra mitsivalana na tsy marisika amin’ny fandaminana ataon’ny kaominina.Maro koa anefa no nitsikera azy noho izy tsy dia mahay mifandamina loatra aman’olona fa tonga dia henjam-pitenenanana.Re ihany koa fa misy fotoana manapa-kevitra samirery fa tsy nahazo ny fankatoavan’ny ben’ny tanana na ny rafitra misy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra I Jean Gabriel Harison ka mety ho noho izay angamba no nisaorana azy.Mitrifana loatra i A1, hoy ny mpiasa sasany eo anivon’nhy CUA tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ary matetika no manao teny marary tsy zaka.Na ny mpanao gazety sasany ihany koa moa dia efa nanamarika fa mahery fihetsika loatra ingahy Jean Gabriel Harison ka tsy dia tsara hiadian-kevitra loatra satria tonga dia moramisafoaka.Andrasana moa ny fampitam-baovao ofisialy sy ny anaran’izay olona mety hisolo ity lefitra voalohan’ny ben’ny tananan’Antananarivo renivohitra ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.