Politique

Jean Eric Rakotoarisoa “Tokony hirosoana ny fifidianana governoram-paritra”


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Nanatrika ny fanokafana ny atrikasa fanaovana tatitra ny fizotram-pifidianana izay no tanterahina ny taona 2017-2019 nataon`ny CENI sy ireo mpanohana ny fifidianana ny filohan`ny HCC,

 

 Jean Eric Rakotoarisoa. Raha manao jery todika tamin`ny fifidianana natrehina tao anatin`izay telo taona izay dia misy ny tsikera sy ny zavatra tokony hahitsy. Amin`ny ankapobeny nizotra tsara ny zavatra natao. Ny zava-dehibe amin`izao, hoy izy, dia mipetraka ny andrim-panjakana, kaominina ary miaina amin`ny tontolo iainana tony isika Malagasy ka tokony hialana ny fifidianana hivadika krizy.  Tsy ny mpanao politika mitabataba no handrefesana fa tsy neken`ny rehetra ny fifidianana natao teto Madagasikara, hoy ihany izy. Zary efa lasa toetra ho an`ny mpanao politika ny fitabatabana ary misy sahy mihitsy mitarika ny vahoaka hidina an-dalambe rehefa resy amin`ny fizotram-pifidianana. Matoa mipetraka iny dia leo korontana ny vahoaka. Tsy vahaolana intsony ny hirosoana amin`ny fikorontanana fa izay mahasoa ho an`ny vahoaka izay miaina ao anatin`ny fahantrana, hoy hatrany ny fanazavana. “Miantoka ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny fanatanterahana ny fifidianana eny anivon`ny faritra. Tsy tokony hametraka olana ny anarana napetraka na lehiben`ny faritra na governoram-paritra”, hoy i Jean Eric Rakotoarisoa, filohan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Ny faritra dia tany amin`ny Repoblika fahatelo kanefa tsy mety miroso amin`izay dingana izay isika, hoy izy. Nomarihany fa ny fitsinjaram-pahefana dia mila matanjaka sy marim-pototra tsara ny aty ambany, indrindra ny kaominina ka miakatra ambony avy eo. Fanontaniana mipetraka dia ny kaominantsika ve dia tena ao tsara ? Mila olona mitantana ireny raha tena hitsofoka amin`ny atao hoe fitsinjaram-pahefana isika. Noho izany, olo-boafidy no mitantana ireny faritra ireny, hoy hatrany ny filohan`ny HCC.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT