Politique

Jean Eric Rakotoarisoa « Taona Zina ho an'ny Malagasy ny 2020 »


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Noho ny tonon-taona vaovao, dia tonga niarahaba sy nitondra ny firarian-tsoa ho an'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momban'ny lalàmpanorenana (HCC),

 

 

  izay notarihan' ny filohany Jean Eric Rakotoarisoa omaly. Nanambara ity farany fa ho "Taona Zina ho an'ny Malagasy ny Taona 2020" ka ny Filoha Rajoelina no mpitarika voalohany ho amin'izany, ary fiaraha-mientan'ny vahoaka Malagasy manontolo sy ny fifanomezan-tanana amin'ny asa fampandrosoana kosa no antoka hahatanteraka an'izany. Nisaotra manokana ny HCC ny Filoha Rajoelina, ary tsy nanadino nirary ny soa sy ny tsara indrindra ho azy ireo amin'ity taona vaovao ity. Notsindrian'ny Filoham-pirenena manokana fa ho taona hankalazana amin'ny fomba manetriketrika ny faha-60 taonan'ny niverenan'ny Fahaleovantena ny taona 2020, ka ho marihana amin'ny asa fampandrosoana goavana isan-karazany izany manerana an'i Madagasikara. Eo ihany koa ny fanohizana ny fanatanterahana ireo velirano efa nampanantenainy sy efa natomboka mba handresena ny fahantrana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT